Mifantoka amin’ny fitokanana ireo zava-bita manerana ny Nosy ny vaindohan’draharahan’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa saika ho isan-kerinandro ihany koa ny fametrahana ireo olona anaty ministera sy fanalàna ireo tsy nahomby. Fotonan’izany tokoa ve izao? Efa roa taona mahery kely tsy hifarana’ny fe-potoam-piasaàna, mbola maro ireo olona soloina satria tsy mahomby, tsy misy asa mitohy mihitsy ankehitriny (?).
Saiky hita manerana ireo ministera ny fitokonana, ny fitakiana ny tambin-karama.
Etsy andanin’izay dia miaina fahasahiranana ny olom-pirenena, na ny ho arapaka isan’andro aza tsy misy intsony. Tao anatin’izay fitondrana nifanesy izay tokoa mba firy tamin’ireo mpitondra no niezaka ny hamorona asa ho an’ny vahoaka? Tsy vitsy ireo miala ny tanindrazana noho ny fitadiavana. Continuer la lecture