Efa tafiditra ao amin’ny fiainan’ny malagasy sy ny an-davan’androny ny teknolojia, toy ny internet sy ny antso amin’ny finday ary ny hafatra alefa amin’ny SMS. Nanavao sy nanampy tolotra ho an’ny mpanjifa ny Orange Madagascar nanomboka ny 01 oktobra 2026. Nisy tolotra roa vaovao, « Allo » sy « Mix Kompoze » ary fanatsarana ny « Akama+ ». Araka ny fanazavan’ny Orange Madagascar, ny tanjona amin’ity fanavaozana ity dia ny hanomezana tolotra mora ampiasaina kokoa, ahafahan’ny mpanjifa miantso amin’ny tambajotra rehetra, mampiasa ny internet amin’ny fotoana rehetra, ary misafidy ny tolotra mifanaraka amin’ny filàny sy ny tetibolany.
Ny « Allo » dia tolotra ho an’ireo manao antso bestaka kokoa satria dia mitovy avokoa ny fanisana ny minitra na iza ny tamban-jotra eto Madagasikara na iza. Ny Allo 15 minitra manan-kery 24 ora dia vidiana 1 000 Ariary, ny Allo 90 minitra, 5 000 Ariary maharitra 7 andro ary ny Allo 600 minitra manan-kery 30 andro amin’ny vidiny 30 000 Ariary. Ho an’ireo mpanjifa mila manambatra ireo karazana fampiasana maro, toy ny SMS, antso ary ny internet kosa dia misy ny Mix Kompoze. Manan-kery 24 ora ny Mix Kompoze 10 izay afaka manao antso 10 minitra, SLS 50 ary 409 Mo, ny Mix Kopose 60 amin’ny vidiny 5 000 ariary manan-kery 7 andro dia misy antso 60 minitra, SMS 250 ary 2,5 Go ary ny Mix Kompose 420 amin’ny vidiny 30 000 ariary dia ahitana antso 420 minitra, SMS 1 000 ary 15 Go izay manan-kery 30 andro.
Akama+, internet ampiasaina amin’ny fotoana rehetra
Anisan’ny fanovana lehibe ny tolotra « Akama+ ». Tsy mis intsony ny fanavahana ny internet ampiasaina amin’ny atoandro sy amin’ny alina. Afaka mampiasa ny habetsahan’ny internet na Mega novidiny amin’izay foatoana tiany ny mpanjifa ny orange. Ny « Akama+ 1 Go », manan-kery mandritra ny 24 ora amin’ny vidiny 1 000 ariary dia misy 1 Go, ny « Akama+ 3 Go », manan-kery mandritra ny 7 andro izay misy 3 Go amin’ny vidiny 5 000 ariary ary ny « Akama+ 20 Go », amin’ny vidiny 30 000 ariary dia misy 20 Go, manan-kery 30 andro.
Azo alaina amin’ny alalan’ny Max it, ny Application Orange Money, ny 123.orange.mg, ary ireo kaody #144#, #123# ary #321# ireo tolotra vaovao. Manomboka amin’ny 1 000 Ariary ka hatramin’ny 30 000 Ariary ny vidin’ireo fonosana, ka samy afaka misafidy araka ny filàny sy ny tetibolany ny mpanjifa.
Ra-Nirina



