Archives mensuelles octobre 2018


SEMINERA GOAVANA: Ny fanalihidy hiverenan’ny fahasalamana


Ny aretina rehetra dia misy fanafany avokoa na dia homamiadana aza. Misy fitaovana maro sy fanalahidy maro hampiverina ny fahasalamana. “Nataon’ny Mpahary mba ho salama lalandava isika olombelona fa adinontsika ny hiverenana amin’izany. Tonga izao ny fotoana hamelabelarana an’izany mba hahazoan’ny tsirairay fahasalamana, ho tomady lalandava ary ny antitra ho lasa tanora”, hoy ny dokotera Rasolofoniaina Darsot nandalina “médicine générale”, “science énergetique”, “homéopathie”. Ao anatin’ny seminera goavana izay tanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 novambra 2018 ao amin’ny Live Hôtel Andavamamba no hamelabelarana misimisy kokoa ny fifehezana ny teknika hahazoana fahasalamana.

Fahatsiarovan-tena

Amin’ny alalan’ny fampianaran’i Grigori Gravoboï, tanora manam-pahaizana nahita hevitra maro hitandroana ny fahasalamana no hanomezana fahalalana fototra ho an’ireo liana amin’ny seminera. Nambaran’ny dokotera Rasolofoniaina fa efa nisy ny andrana nataon’i Grigori Gravoboï momba ny famerenana ny antitra ho lasa tanora ary nohamarinin’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS, UNICEF) izany. Tao anatin’ny “clinique” iray nisy marary folo nojeren’i Grigori Gravoboï tao anatin’ny dimy minitra ny manjo azy ireo sy ny vahaolana ho atao amin’izy ireo. Antitra ny iray tamin’ireo ka nahena ho 40 taona ny vatany. Voan’ny raboka izy ity ka nambarany fa tsy tao intsony ny havokavokany. Rehefa natao amin’izay ny “scanner” dia hita fa miha miverina miforona indray ilay taova tsy tao. Tsy ho lasa lavitra ny olona iray raha tsy mivelatra ny fahatsiarovan-tenany (conscience). Miompana amin’ny fitsaboana “quantique” na ny fifandraisan’ny vaovao izay mety hiseho ary ny fampiasana izany, ny asa goavana miandry ny olombelona, ny fivelaran’ny fahatsiarovan-tena ny fihaonana mandritra ny telo andro. Afaka mifehy ny teknika momba izany ny olon-drehetra.

Lynda A.


FOIRE INTERNATIONALE DES GEMMES ET BIJOUX DE MADAGASCAR : Miteraka asa


Mbola malalaka ny tsena eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana sy fanodinana ny vatosoa eto Madagasikara. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 Oktobra 2018 ka hifarana ny 27 Oktobra ny tsena iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny vatosoa na « Foire internationale des gemmes et bijoux de Madagascar » atao eny amin’ny « Mining business center » Mamory Ivato. Continuer la lecture