Socio-eco

FIHAONAMBEN’NY FANDRAHARAHAN’NY COMESA ANDIANY FAHA-19 : Tanterahina amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola ny vina iraisan’ny firenena mpikambana


Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa ( Ankavia ) sy ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA, Chileshe Mpundu Kapwepwe ( Ankavanana)

Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa ( Ankavia ) sy ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA, Chileshe Mpundu Kapwepwe ( Ankavanana)

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy taty Harare renivohitr’i Zimbabwe ny fihaonamben’ny fandraharahan’ny Tsena Iraisan’i Afrika Atsinanana sy Atsimo na ny COMESA andiany faha-19, ny 20 oktobra 2026. Nanomboka ny 19 oktobra 2026 ka hatramin’ny 22 oktobra 2026 ny hetsika. Ny vina ho tanterahana tamin’ity andiany ity dia ny hoe : « Tsena iray, hoavy iray». Firenena 21 ny mpikambana ao amin’ny COMESA, anisan’izany i Madagasikara. Ny Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanatrika izany lanonana fanokafana izany ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA, Chileshe Mpundu Kapwepwe.

Nandritra ny lanonana, nohamafisin’ny Filohan’i Zimbabwe ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra, na eo amin’ny sehatry ny fanjakana na ny tsy miankina, mba hampiroboroboana ny toekarena sy ny fandraharahana manerana ny faritry ny COMESA.

« Tokony hifampiresaka amin’ny governemanta ireo mpitarika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana mba hampahafantra ny filàn’izy ireo mba hahafahan’ny vina hoe « tsena iray, hoavy iray ». Tanjona amin’izany ny hahatonga ny olom-pirenena rehetra ao amin’ny faritry ny COMESA mba hisy vokatra azo tsapain-tanana ho an’izy ireo ka tsy hisy olona na toerana ho tavela any aoriana », hoy ny Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa.

Nandray fitenenana ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA, Chileshe Mpundu Kapwepwe, izay nanamafy fa mila tanterahina amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola ny vina iraisan’ny firenena mpikambana.

« Ny vina tsena iray, hoavy iraisana dia tanterahana tsikelikely amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-barotry ny tsirairay, ny fampiasam-bolan’ny tsirairay, ny sisin-tany tsirairay ary ny orinasa tsirairay », hoy izy.

Delegasiona maro avy amin’ny faritra COMESA no nanatrika ity lanonana fanokafana ity, ka isan’izany ireo minisitra, mpitarika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ary ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny sehatra indostrialy isan-karazany.

Ny tanjona amin’ity fihaonambe ity dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COMESA, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny fampifandraisana ny sehatra tsy miankina amin’ny governemanta, mba hahafahana mamorona tsena iraisana mitondra tombontsoa ho an’ny rehetra.

Mandritra ity hetsika ity dia misy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fandrarahana sy trano eva ahitana ahitana ireo vokatra isan-karazany izay azo tsifain’ny mpitsidika an’ity fihaonambe ity.

Mifanindran-dalana amin’ity ihany koa ny Fihaonamben’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta ao amin’ny COMESA andiany faha-25 izay atao ny 22 oktobra 2026 izay atao eto Harare, Zimbabwe ihany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *