politique

FIKAMBANA AVOTANTSIKA SABOTSY NAMEHANA (ASN): Efa avotra ny kaominin’i Sabotsy Namehana ka ilaina tohizana ny zava-bitan’ny teo aloha


Efa 17 taona no naha mpanolo-tsain’ny tananan’ny Sabotsy Namehana i RAKOTOMALALA Jérôme Raphael. Niara niasa nivantana tamin’ny bèn’ny tanana Andriamosa Avotraina izay lasa solombavambahoaka ankehitriny izy. « Betsaka ny fampandrosoana natao niaraka tamin’i bèn’ny tanana tamn’izany ary tohizana izany. Azo lazaina fa nampamiratra ny kaominin’i Sabotsy Namehana ny ben’ny tanana teo aloha niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Ny tarigetra tamin’izany ny hoe : « avotantsika sabotsy Namehana » fa ankehitriny Sabotsy Namehana efa avotra », hoy i RAKOTOMALALA Jérôme Raphael, kandidà ho ben’ny tanan’i Sabotsy Namehana sady Sekretera jeneralin’ny ANS ( Avotantsika Sabotsy Namehana. Efa mipetraka amin’ny toerany i Sabotsy Namehana ka ho tazomina izay toerany izay. Rehefa lasa solombavambahoaka izy dia tsy hojerena na avela ain’izao ny kaominina fa tsy maintsy tohizana ny fampandrosoana. Ahiana ny tsy hitohizan’ny fampandrosoana raha olon-kafa ny eo. Izay ny antony tsy maintsy nilatsahana ho kandidà amin’ity fifidianana bèn’ny tanana eto amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ity mba hiatrika sy hampandroso ny tanana sy ny vahoakan’ny Sabotsy Namehana. Mino sy manantena fa miandrandra ny fikambanana ASN izany ny vahoakan’ny Sabotsy Namehana. Ny fampandrosoana tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy fa ilana fotoana zany. Efa lasa toetra raikitra ny fanompoana sy fitiavana ny vahoaka. Ny vahoaka mihamaro, ny filana miha mitombo, miha sarotra ny fambolena ety aminay Sabotsy Namehana. Ny fambolena sy fiompiana ny kitro hifaharan’ny kaominina ambahivohitra tahaka an’ny kaominina Sabotsy Namehana. Atao laharam-pahamehana ireo tantsaha afahana mandroso sy mirindra.

Tsy niditra anatin’ny antoko ny kandidà  RAKOTOMALALA Jérôme Raphael. « Tsy mety aminay ny teriterena ao anatin’ny antoko politika. Mahaleo tena izahay amin’ny fitantana. Izany tsy milaza fa hanohitra be fahatany izahay fa afaka miara miasa ihany koa amin’ny fitondram-panjakana. Mino sy manantena zahay fa tsy hanosi-bohotana aminay ny fanjakana raha misy angatahanay sy fanampiana avy aminy ho fampandrosoana ny kaominina.», hoy izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *