Catégorie Investigation



ADY TANY AO AMIN’NY LABANDY AO MAMPIKONY SY PORT BERGÉ : Miaina anaty fijaliana na ireo mponina mitsoaka any anaty ala na ireo mijanona an-tànana


Mizara roa ny fokonolona ao amin’ny fokontany folo (10)  ao Mampikony sy Port Bergé faritra Sofia noho ny ady tany izay mitondra ny anarana hoe  « Lot de colonisation Port Bergé, lot 41 »  mirefy 3000 hektara. Ny ankilany miaraka amin’ny Cotona Real Estate milaza ho tompon’ny tany  ary ny andaniny miady ny tany satria efa nanajary an-taonany maro. Lasa mitsoaka any anaty ala ny vatan-dehilahy nanajary ny lemak’ i «Labandy»  noho ny fanenjehana azy ireo. Niharan’ny fandrahonana, vono, fandrobana fananana ireo mijanona ao an-tanana. Nopotehin’ ny traktera ampolony nalefan’ny milaza tompon’ny tany ny  voly vary.

Toy ny any amin’ny tany miady. Zaza amam-behivavy sy beantitra sisa no mijanona ao an-tànana  ary lasa any anaty ala kosa ireo lehilahy matanjaka vokatry ny ady tany misy eo amin’ny fokonolona nanajary ny tany sy ny orinasa Cotona Real Estate milaza fa tompon’ny «Labandy»  ao Mampikony sy Port Bergé. Continuer la lecture


Fananan-tany


Manao ampihimamba ny « caisse commune » ny mpitantana.

Zon’ny mpiasa rehetra ao amin’ny « domaine » ny mahazo ny anjarany amin’ny « caisse commune » kanefa ataon’ireo tomponadraikitra ambony ampihimamba. Isaky ny roa na telo volana no hisitrahan’izy ireo izany.
Namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny Minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita, Hajo ANDRIANAINARIVELO.
Fanontaniana : Misy ve io « caisse commune », iza avy no tokony hisitraka izany ?
Hajo ANDRIANAINARIVELOHajo ANDRIANAINARIVELO : Eny, misy tokoa io « caisse commune » io saingy ny mampalahelo, ataon’ny tomponandraikitra ambony toy ny minisitra, tale jeneraly, « chef de service »…izany raha tokony ho ny mpiasa rehetra no hisitraka izany isaky ny roa na telo volana. Tamin’ny nitondrako io minisitera io, nozaraiko izany ho an’ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka kanefa kosa tsy mitovy ny raisin’ny tsirairay arakaraka ny andraikiny. Misy mandray 2.000.000 Ariary ka hatramin’ny 3.000.000 Ariary ny tale jeneraly, ny tale isan-karazany…
F : Inona no anton’io « caisse commune » io ary vola avy aiza no mirotsaka ao?
H : Antony izy io ny hanomezana fankasitrahana ireo mpiasa indrindra ihany koa mba hiadiana amin’ny kolikoly. Ny lalana mihitsy no nametraka io « caisse commune » io. Ampahan’ny vola azo amin’ireny alohan’ny olona mpikarakara tany ireny « transaction » io vola arotsaka ao io.Tokony ho afaka amin’ny am-pahany ny kolikoly ao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany io. Misy an’io « caisse commune » io avokoa manerana ny sampan-draharaha iray ity eto Madagasikara. Raha ny henoko anefa ankehitriny dia tsy zarain’ireo mpitantana ao indray io vola io .
F : Nijanona tamin’ny fisian’ny « caisse commune » ihany ve ny ady amin’ny kolikoly ?
H : Tsy mijanona amin’io ihany ny ady amin’ny kolikoly fa nisy ihany koa ny fanadiovana ny mpiasa. Nahitana olona maromaro manana birao kanefa tsy mpiasam-panjakana tao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy fandrefesantany io. Miisa 20 teo izy ireo tao amin’ny « domaine » ary 30 ny tao amin’ny « topo ». Azo eritreretina ve ny fisian’ny mpiasa tsy raikitra ( benevol ) mandritra ny 4 taona ka tsy mandray karama? Kolikoly no dikan’izay. Marihako fa zanak’olona ambony lava tanana manao fivelomana ao ireo mpanera tao amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ireo. Ny mampalahelo ahy, ny filazana fa tsy ekipako ireo tamin’izany ka noesoriko. Amin’izao fotoana izao raha ny henoko, niverina ao ireo.

Continuer la lecture


EFA MITRANDRAKA IREO ALA AROVANA AO RANOMAINTY NY TAO DIDY!


Anterivava :

.

Tsy ny vahiny ihany no mandripaka ny harena voajanahary eto amintsika fa anisan’izany ihany koa ny mpiray tanindrazana mpanam-bola. Ny loza, manampatra ny maha manam-pahefana azy ireo mpitrandraka ka  manararaotra hoatran’ny banga mihomehy alina satria ao anatin’ny faritra arovana mihitsy no mitrandraka. Hita sy voamarina izany araka ny fanadihadiana lalina  nataon’ny mpanao gazety nahavita fiofanana momban’ny fiarovana ny tontolo iainana. Continuer la lecture