Archives mensuelles octobre 2026


RANO-PAKON’ANDRALANITRA : Mandoto rano sy manimba tanim-pambolena


Mitovy amin’ny taona niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara ny taonan’ny fitobian-pakon’Andralanitra. Tsy azo ampiasaina handrahoana sakafo ny rano amin’ny vovo manodidina ny toerana noho ny rano-pako mitsika any amban’ny tany. Mandeha ora iray farahakeliny maka rano fisotra madio ny mponina. Simba ny vary volena ao atsimon’ny fitoeram-pako Andralanitra.

Bebe Marie, monina ao Ampasika avy naka rano teny Amoronakona

Bebe Marie, monina ao Ampasika avy naka rano teny Amoronakona

Milanja daba mavo 20 litatra i Ralisoarivololona Marie na Bebe Marie, renim-pianakaviana 74 taona, monina ao Ampasika fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely. « Handeha hatsaka eny Amoronakoana aho. Ny rano aty aminay mantsy tsy azo sotroina sy handroan-tsakafo fa ratsy », hoy izy. Adiny iray isan’andro no laniny maka rano eny Amoronankona. Mandeha amin’ny fefiloha izy ary tsy maintsy miampita arabe eny amin’ny «rocade» vao tonga eny amin’ny fatsakana. Lolohavina ilay daba mavo feno rano rehefa mody.

Ralisoarivololona Marie, mitantara ny momba ny rano amin'ny vovo eo amin'ny faritra misy azy.

Ralisoarivololona Marie, mitantara ny momba ny rano amin’ny vovo eo amin’ny faritra misy azy.

Tao anatin’ny 30 taona dia otran’izay isan’andro no niainan’i Bebe Marie. « Ny taona 1969 no nanomboka nipetraka teto Ampasika aho. Hatramin’izay nipetrahana tety dia tsy nampiasa rano amin’ny vovo ety izahay satria raha mipetraka elaela eo ilay rano dia misy hoatran’ny eladrano menamena mitambatambatra. Raha ohatra ianao mahandro vary ka vary fotsy dia mivadika maintimainty. Tsy azo andrahoana sakafo ny rano ».

 Ao amin’ny ilan’ny atsimon’ny fanariam-pakon’Andralanitra no misy an’Ampasika, tanànan’ i Bebe Marie. Tsy mampiasa ny rano amin’ny lava-drano avokoa ny olona ao, fa na mandeha eny amin’ny paompin-drano na loharano eny Amoranankona na eny amin’ny Ravitoto (miala 30 minitra eo Ampasika) na miampita lakana maka rano amin’ny vovo eny Beravina na ao amin’ny fitoeran-dranon’ny JIRAMA ao Ambaniala izay tsy ampy ho an’ny mponina ao akory fa tonga indray mandeha dia lany ary misy fotoana aza efa ho 10 andro vao tonga ny rano manaraka, araka ny fitantaran’ny mponina.

Fitobian’ny fako Andralanitra - sary nalaina tamin'ny drone

Fitobian’ny fako Andralanitra – sary nalaina tamin’ny drone

Nampiasaina nanariana fako ny teo Andralanitra nanomboka ny taona 1960 izany hoe efa  66 taona  lasa izay. Mirefy 18 Ha ny toerana, mitovy amin’ny kianja filalaovana baolina kitra miisa 25. Ao amin’ny fokontany Ikianja, koaminina Ambohimangakely no misy azy.  Novidian’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) io toerana io. Ny 13 Ha no azy ary 5Ha an’olon-tsotra. Hazo fihinam-boa sy fambolena zana-kazo ary hazo kininina no teo talohan’ny nampiasana azy ho toby fametrahana fako. Ankehitriny, mahatratra 30 metatra  miala amin’ny tany ny haavon’ny fako.  400 ka hatramin’ny 600 taonina isan’andro ny lanjan’ny fako taterina ao amin’ny andro ririnina ary tafiakatra 800 taonina rehefa fahavaratra. Eo amin’ny 400.000 taonina kosa izany isan-taona, araka ny fanazavan’i Tale Jeneralin’ny Société Municipale d’Assainissement (SMA), Ranoelijaona Tantely Hariliva.

Ny SMA no mitantana toeram-panariana fako eny Andralanitra. Ahitana trano fonenana manodidina an’Andralanitra, tahaka ireo tokantrano eo ambany fiahian’i Père Pedro. Tokantrano 6000  kosa no mivelona amin’ny fako ariana eny, araka ny fanazavan’i Tsirilalaina Tahiana, tomponandraikitry ny fanariam-pako eny Andralanitra.  Raha ny hita teny an-toerana nandritra ny fanadihadiana dia misy amin’izy ireo no manangona ny tavoahangy plastika, sachet plastika, kitay, zezika…

Rano-pako mitondra loto any amin’ny rano sy ny tany

RAKOTOMANANA Rila Albani, tale misahana ny fandotoana sy ny rano ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy (MEDD)

RAKOTOMANANA Rila Albani, tale misahana ny fandotoana sy ny rano ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy (MEDD)

Mamokatra rano-pako na antsoina hoe « lixiviat » io toeram-panariana fako eny Andralanitra io. Rehefa miditra ao anaty fako ny ranon’orana, dia mandalo amin’ireo akora samihafa ao anatiny ary mitondra ireo loto miaraka aminy. Io rano maloto miforona sy mikoriana avy ao amin’ny fako io no atao hoe lixiviat.  Tsy manaraka ny fenitra amin’ny fitobian’ny fako Andralanitra, hoy RAKOTOMANANA Rila Albani, tale misahana ny fandotoana sy ny rano ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy (MEDD). Tsy mifidy fako raisina fa ariana eny avokoa ny karazam-pako rehetra, toy ny fako mora loa, fako plastika isan-karazany, fako simika, sns. « Mitambatra ao daholo ny fako, izany hoe tsy voafehy izy io. Ao ny fako indostrialy, ny fako plastika, ny fako simika. Simika ireny batery ireny.  Miteraka ny métaux lourd (firaka, mercure, varahana, cobalt, Nickel izay  hita ao anaty baterie na pile). Ilay métaux lourd amin’izay no mitambatra.

Nisy fikarohana natao tamin’ny 2014, niarahan’ny Centre National de Recherches sur l’Environnement na ny CNRE sy ny Toxic Sites Identification Program (TSIP) nijerevana ny toxicité ny fakon’Andralanitra.

Fantatra fa misy singa simika toy ny plomb, cardium, mercure avy amin’ny pile sns, mitsika rehefa avy eo dia mandeha any amin’ny tahirin-drano amban’ny tany, ary manapoizina ny nofotany. Rehefa tonga ny ranon’orana dia vao maika tena mitombo ny rano-pako ka mandeha eny amin’ny renirano na ny fambolena », hoy i Rakotomanana Rila Albani, tale misahana ny fandotoana sy ny rano ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy (MEDD).

Ny “métaux lourds” dia metaly misy poizina  rehefa tafiditra ao anaty rano, tany, sakafo na rivotra, ka mety hiteraka fahavoazana amin’ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana

Voka-dratsy amin’ny fahasalamana

Dr Rakotomalala Christian Ulrich, teknisianina tao amin’ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires na INSTN

Dr Rakotomalala Christian Ulrich, teknisianina tao amin’ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires na INSTN

Tamin’ny taona 2011, nanao fitiliana ny kalitaon’ny rano manodidina ny fanariam-pako Andralanitra ny ekipan’i Dr Rakotomalala Christian Ulrich, teknisianina tao amin’ny Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires na INSTN . Naka santionan-drano 24 manodidina an’ny tobi-panariam-pako eo Andralanitra izy ireo mba hijerena raha mbola azo sotroina ny rano na tsia.

Notiliana ny singa samihafa ao anatin’ny rano, anisan’izany ny “calcium”, “nitrate”, “sulfate” ary ireo antsoina hoe “ion majeurs”. Samy manana ny fetra tokony tsy hihoarana ireo singa ireo, araka ny fenitra momba ny rano fisotro napetraky ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Ohatra, 50 mg isaky ny litatra ny fetra ho an’ny nitrate, ary 500 mg isaky ny litatra kosa ho an’ny sulfate.

Hita tamin’ny fanadihadiana fa misy fandotoana ny rano ambanin’ny tany manodidina ny fanariam-pako ao Andralanitra.  Araka ny fanadihadiana, dia misy fiantraikay amin’ny tahirin-drano ambanin’ny tany ny ranom-pako mitsiaka avy amin’ny tobim-panariam-pako ao Andralanitra.

Tamin’ny taona 2021, nanao fanadihadiana momba ny fahalotoan’ny rano vokatry ny fako ao Andralanitra ihany koa ny ekipa mpikaroka notarihan’i Dr Ravaloera Antsatiana, doctorant tao amin’ny École doctorale Ingénierie et Géoscience – ESPA, Université d’Antananarivo.

Tamin’ny volana Janoary, Febroary ary Martsa 2021, naka santionan-drano 24 tamin’ny toerana 12 , manodidina ny toby  izy ireo. Anisan’izany ny rano manodidina ny toerana fanariam-pako Andralanitra, ny rano avy amin’ny honahonan’i Andranofotsy sy Amboahirana, ary ny rano avy amin’ny lavadrano tao amin’ny tanàna efatra.

Ambony ny tahan’ny “nitrite” sy “nitrate” arakaraka ny toerana nakany ireo singa. Rehefa tratry ny fahalovana ny fako dia miteraka entona atao hoe “methane”. Izy io no mivadika ho “nitrite” sy “nitrate” rehefa mahazo tsiranoka.

Dr Ravaloera Antsatiana, manam-pahaizana momba ny rano ( Ingenerie et Geoscience specialité Hydraulique et Ressource en Eau ).

Dr Ravaloera Antsatiana, manam-pahaizana momba ny rano ( Ingenerie et Geoscience specialité Hydraulique et Ressource en Eau ).

« Mihoatra lavitra ny fenitra tokony arahana ao amin’ny kalitaon’ny rano izany ny taha ao anatin’ilay izy ary voamarina tamin’ny fikarohana natao fa avy amin’ilay toeram-panatombiam-pako no mahatonga ny fihoaran’izay taha izay dia ny NOx ( Nitrate sy Nitrite ) izay ao anatin’ilay rano. Arakaraka ny fanakaikezan’ ilay toeram-panatobiam-pako izany dia ambony tena ambony any amin’ny 10, 20, 30 heny atao hoe taha ara-dalana no misy. Dia arakaraka ny fahalavirany no mihena izay taha izay. Fa na izany na tsy izany amin’ireo toerana nangalana santionany izay aty amin’ny 2km manodidina Andralanitra na amin’ny faritra ambanin’Andralanitra dia mbola mihoatra telo , dimy heny ilay taha ny singa hita », hoy Dr Ravaloera Antsatiana, manam-pahaizana momba ny rano ( Ingenerie et Geoscience, specialité Hydraulique et Ressource en Eau ).

Ny didim-panjakana laharana 2004-635 tamin’ny 15 Jona 2004, momba ny fenitra malagasy ho an’ny rano fisotro madio, dia mametra ny tahan’ny nitrate ho 50 mg/L ary ny “nitrite” ho 0,1 mg/L ao anaty rano fisotro.

Hita ihany koa fa mihoatra ny fetra ekena, ny loza mety hitranga amin’ny fahasalamana rehefa misotro ny rano avy amin’ny lavadrano iray ao amin’ny fokontany Ikianja , avaratra atsinanan’ny tobim-pako Andralainitra sy  lava-drano ao Ambaniala, fokontany Ikianja ary ny rano avy amin’ireo honahona Andranofotsy sy Amboahirana. Anisan’ny tena mampitombo izany loza izany ny loto simika antsoina hoe Nox ao anatin’ny fanadiadihana nataon’ny Dr Ravaloera Antsatiana sy ireo mpikaroka niaraka taminy.

Araka ny fanadihadiana io ihany, mety hiteraka olana ara-pahasalamana izany fandotoana izany, anisan’izany ny “méthémoglobinémie”, izay misakana ny “oxigène” tsy ho tonga any amin’ny rà, indrindra rehefa misotro tsy tapaka mandritra ny fotoana maharitra ny rano voaloto avy amin’ny lavadrano na ny honahona manodidina ny fanariam-pako ao Andralanitra.

Dokotera Rakotoarivony Manitra, mpitsabo

Dokotera Rakotoarivony Manitra, mpitsabo

« Ilaina ny nitrite sy nitrate amin’ny fatrany ilaina azy. Raha diso be loatra dia tsy mety amin’ny vatana. Rehefa tonga ao anaty vatana ilay nitrite dia mifangaro amin’ny “hémoglobine” ao anatin’ny sela mena. Rehefa mifangaro amin’ny “amine” avy amin’ny “proteine” io nitrite io dia manome singa iray vaovao manelingelina ny sela mena izay tsy mahavita mihazona ilay “oxygène” hamelona ny vatana izay ny atao hoe méthémoglobinémie izany hoe ao anaty rà misy an’io singa io. Izay no mahatonga ny olona indrindra ny ankizy, reradrera-dava, tsy ampy oxygène mazava ho azy, seposepotra. Rehefa ny rano sotroina tsy miova mihitsy ka misy io singa io (nitrite) dia miteraka ny homamiadana ao anaty vatana », hoy dokotera Rakotoarivony Manitra, mpitsabo. 

Manoloana izany, manoro hevitra ny mpikaroka ny hanaovana fanadihadiana momba ny fomba hanadiovana sy hampihenana ny loto ary ny tokony handinihana sahady ny fanakatonana ny toerana fanariam-pako, mba hiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana.

« Ny lavadrano ety aminay efa nisy fotoana natao fitiliana. Be vy ilay izy dia tsy azo hohanina fa tsy mahasalama.”, hoy i Bebe Marie monina ao Ampasika.

Rajaoarimanana Florine, mipetraka ao Ambaniala, fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely . Misintona rano amin'ny vovo hanasana lamba

Rajaoarimanana Florine, mipetraka ao Ambaniala, fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely . Misintona rano amin’ny vovo hanasana lamba

Nanambara ihany koa i Rajaoarimanana Florine, mipetraka ao Ambaniala, fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely fa tsy mampiasa ny lava-dranom-pokonolona handrahoana sakafo ny mponina eo. « Raha andrahoanay vary izy dia lasa ohatry ny mangamangana ny vary andrahoana. Raha sotroina indray dia mamoaka mangirangirana. Tsy azonay sotroina mihitsy sady masirasira fa hanasana lamba ihany », hoy izy.

Na dia eo azany olana eo amin’ny rano fisotro madio izany dia tsy manana fikasana ny hiala eny ny mponina satria anisany fidiram-bolan’izy ireo io toby fanariam-pako eo Andralanitra io. Hita eny avokoa ny akora azo ahodina isan-karazany, toy ny tavoahangy plastika, zezika, sachet plastika, pneu…sns. Anisany mivelona amin’io ihany koa i bebe Marie.

Miteraka voka-dratsy amin’ny fambolena

Tanimbary akaikin'ny fitobian'ny fako Andralanitra. Tsizarizary ireo vary nohon'ny ranom-pako.

Tanimbary akaikin’ny fitobian’ny fako Andralanitra. Tsizarizary ireo vary nohon’ny ranom-pako.

Miankina amin’ny rano ny fambolem-bary. Misedra olana ny tantsaha mpamboly vary manodidina an’Andralanitra. Tsy mahavanona vary i Bebe Marie. Efa telo taona lasa izy no tsy namboly teo amin’ny tanimbariny fa simba izay volena. « llay ranona zôridira izany maintimainty be sady masiaka be dia tsy vanona ilay vary fa maty. Io tany io rehefa ritra ny rano dia miepakepaka ohatry ny misy fotsifotsy na ohatry ny hoe misy sira izany”, hoy izy.

Navadika ho fambolena vilona kosa ny tanimbarin’i Randriamanantena Joseph, mponina Ampasika. « Ilay tany izany rehefa misy fotoana eo amin’ilay ritra iny ny rano, dia maina. Avy eo hoatran’ny mivoaka sira izany. Raha maka kely izany ka lelafina dia hoatr’ireny tena sira ireny ny avoakan’io tany io. Tsy tafavoaka mihitsy ny fambolena fa mamono tena izany ilay vary. Maniry raha atsatoka fa avy eo mivadika mamono tena dia ilay ahitra sisa no tavela. Ahidratsy sisa no velona eo ».

Mampiasa ny fomba fitantanana fako “fukuoka”

Nanomboka ny taona 2023, nisy ny tetikasa ho fanajariana sy fanatsarana ny fitantanana ny toerana fanariam-pako ao Andralanitra, niarahan’ny Ministeran’ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fahadiovana (MEAH), ny Agence Japonaise de Coopération Internationale (JICA), ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ao anatin’izany ny tetikasa GESDA (Gestion des Déchets d’Antananarivo), izay haharitra hatramin’ny volana Desambra 2026.

Ranoelijaona Tantely Hariliva, tale jeneralin’ny SMA - Société Municipale d’Assainissement

Ranoelijaona Tantely Hariliva, tale jeneralin’ny SMA – Société Municipale d’Assainissement

« Mila alamina ilay toerana satria atsy ho atsy tsy ho zaka intsony ny habetsahan’ny fako aterintsika eny amin’iny toerana iny. Nisy, noho izany, ny fampiofanana ireo olona mitantana ny eny Andralanitra momba ny fandaminana ny fitobian’ny fako », hoy i Ranoelijaona Tantely Hariliva, tale jeneralin’ny SMA.

Misy lafiny telo lehibe ao anatin’ny tetikasa GESDA: ny fanasarahana ny fako hatrany am-piandohana, ny fanangonana sy fitaterana azy, ary ny fitantanana ny toerana fanariam-pako ao Andralanitra.

Ampiharina eny Andralanitra ny « Fukuoka », izay fomba fitantanana toerana fanariam-pako novolavolaina tany Japon. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana ny fako sy ny fametrahana fantsona ahafahan’ny rivotra miditra ao anatiny, mba hanampiana amin’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fahalovan’ny fako sy ny entona aterany atao hoe « méthane ».

Tafiditra ao anatin’ny fitantanana ny tobi-pako Andralanitra ihany koa ny fifehazana ny rano-pako na lixiviat.

Rehefa miditra ao anaty fako ny rano, dia mikoriana mankany amin’ny faritra ambany ka angonina sy tarihina hivarina any amin’ireo dobo fandraisana  ny “lixiviat”.

Tsirilalaina Tahiana, tomponandraikitry ny toby fanariana fako eny Andralanitra

Tsirilalaina Tahiana, tomponandraikitry ny toby fanariana fako eny Andralanitra

« Mifampiankina ny fomba fukuoka sy ny rano-pako na lixiviat.  Sivanina sy tarihina makany amin’ny bassin de lixiviat ny rano-pako. Misy dobo 4 izy eto Andralanitra. Samy misy fivoahan’ny rano-pako any Atsimo, Avaratra, Atsinanana ary Andrefana.  Mandalo dingana telo ny rano-pako vao mivoaka any amin’ny lalana hivoahany. Ao anatin’ny bassin andalovan’ilay rano-pako dia nasiana karazana vato misivana ny rano-pako izay vao mivoaka ivelan’ny fitobian’ny fako. Noho io teknika io dia mihena ny tahan’ireo singa mampidi-doza ao anatin’ny rano-pako. », hoy hatrany i Tsirilalaina Tahiana, tomponandraikitry ny toby fanariana fako eny Andralanitra.

Mivarina amin’ireo toerana manodidina ny tobim-pako io rano-pako avy amin’ny “bassin” io.

Mivoaka ety ivelan’ny tamboho mamefy ny tobi-pako ny rano-pako

Mivoaka ety ivelan’ny tamboho mamefy ny tobi-pako ny rano-pako

Anisan’ny sakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa GESDA ny fisian’ny tanin’olon-tsotra ao amin’ny toerana fanariam-pako Andralanitra. Mirefy 5 ha ny tanin’olon-tsotra, raha 13 ha kosa no fananan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny tale jeneralin’ny SMA. Any amin’ny ilany atsimon’ilay toerana fanariam-pako no misy ireo tanin’olon-tsotra ireo. Nampiharina  ny fomba fukuoka ihany koa ny tapan’ny Atsimo saingy  tsy voafehy noho izy tany manan-tompo izay. « Azy ilay tany dia manana zo izy hanao izay tiany amin’ilay taniny. Nametrahana fako tao dia akany zezika ilay izy. Dia lasa simba izany ilay fomba fukuoka na ilay fanajariana natao. Izay ihany ny partie mampatahotra kely », hoy ny chef de service site de décharge. Vokany, mivoaka sy miparitaka ety ivelan’ny tamboho mamefy ny tobi-pako ny rano-pako izay tsy mandalo ny bassin ary mikoriana amin’ny toerana manodidina, ny sasany mivarina amin’ny rano sy tany manakaiky ny tobi-pako. Miloko mainty toy ny « ranona kafe » raha ny hita teny an-toerana.

Vahaolana maharitra

Noho ny fisian’ity tetikasa GESDA ity dia mbola azo ampiasaina mandritra ny valo taona i Andralanitra raha ny nambaran’ i Rajaoferison Andry Heriniaina, talen’ny tetikasa GESDA sady talen’ny fahadiovana ao amin’ny ministeran’ny rano, fahadiovana ary fidiovana (MEAH). Tsy maintsy mitady vahaolana maharitra ho an’ny fako vokarin’Antananarivo kosa anefa ny tomponandraikitra.

« Ny Ministeran’ny Tontolo Iainana efa manana tetikasa karakaraina miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka. Misy an’izay VALO Déchet izay hamadika ny fako ho bioéthanol. Hanampy amin’ny fitantanana ny fako ao Andralanitra izany, satria ny ministera dia miezaka mampiroborobo ny toekarena miodina, mba tsy ho olana ny fako fa ho lasa harena. Efa eo am-pamaranana ny fanomanana an’io tetikasa io izahay », hoy i Rakotomanana Rila Albani, tale misahana ny fandotoana sy ny rano ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Lovain-jafy (MEDD).

Ho fampihenana ny habetsahan’ny fako ariana eny Andralanitra, dia manana vina hanangana ivon-toerana fanasokajiana fako (centre de tri) ao amin’ny Kaominina Manandriana, Distrikan’Avaradrano, ny Ministeran’ny Tontolo Iainana, nanomboka tamin’ny taona 2021.

« Ho an’ny eny Manandriana, efa eo am-pamaranana ny fananganana ny toby fanasokajiana fako izahay. Anisan’ireo tetikasa ezahinay hatao vaindohan-draharaha izy io, mba hahafahan’ny ampahany amin’ny fako alefa any ihany koa, ka hampihenana ny fahafenoan’ny toerana fanariam-pako eny Andralanitra », hoy izy.

Efa manana sori-dalana nasionaly  (feuille de route nationale) momba ny fahalotoan’ny tany, ny rivotra ary ny rano ihany koa ny ministera. « Efa tamin’ny roa taona lasa no vita izany, saingy miandry famatsiam-bola sisa ny fanatanterahana azy. Eo am-pitadiavana izany ny ministera », araka ny fanazavan’i Rakotomanana Rila Albani hatrany.

Ao anatin’io drafitra nasionaly io indrindra no ametrahana ny ady amin’ny fahalotoan’ny tany sy ny olana ateraky ny lixiviat. « Hanomboka amin’ity taona ity ihany koa ny fanatanterahana an’io feuille de route io », hoy izy.

Anisan’ireo voka-dratsy ateraky ny rano-pako na lixiviat ny fahalotoan’ny rano fisotro manodidina ny toby fanariana fako, tahaka ny eny Andralanitra. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpikaroka voalaza etsy ambony, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina izany. Mahatsapa ihany koa ny mponina manodidina fa mihasimba ny tanim-pambolena.

Azo atao ny manadio an’io toerana io amin’ny fambolena hazo atao hoe « Salix Madagascariensis ». Eto Madagasikara ihany no misy an’ity hazo ity, hoy i Dr Ravaloera Antsatiana,  (Ingenerie et Geoscience, spécialité Hydraulique et Ressource en Eau). Miankina amin’ny fahavononan’ny fanjakana anefa izany, hoy izy.

Mandram-pikaton’Andralanitra, atao ahoana ny ranom-pako raha misy ny tondran-drano?

Nirina R.

Ity fanadihadiana lalina ity dia notontosaina tamin’ny alalan’ny tosika avy amin’ny
ONG ILONTSERA sy ny fanohanan’ny fandaharanasa IPDC an’ny UNESCO. Ny hevitra
sy ny torohay rehetra hita ato anatin’ity famokarana ity dia an’ny mpanoratra irery.
Tsy mitana ary tsy tompon’andraikitra amin’ireo fampahafantarana sy
valim-pikarohana avoaka ato anatin’izao fanadihadiana izao ny ONG ILONTSERA sy ny
UNESCO