Anisan’ny olana amin’ny fitantanana ny fako eto an-drenivohitra ny tsy fahampian’ny fanavahana azy sy ny vahaolana amin’ny fikarakarana azy rehefa avy voaangona. Tsy mijanona amin’ny fanangonana fako eny an-dalambe ihany ny hetsika « Tanàna madio miaraka @ Orange » eto Antananarivo. Ankoatra ny fanadiovana ny tanàna dia ezahina ihany koa ny mitady vahaolana amin’ny fako voaangona, amin’ny alalan’ny fanasokajiana sy ny fanodinana azy. Olona maherin’ny 5 000 no nandray anjara nandritra ny dimy andro, tany amin’ny fokontany mihoatra ny 30 ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny 8 ka hatramin’ny 10 oktobra ary ny 12 sy 13 oktobra 2026.
Anisan’izany ny teny Anosibe, Namontana, Anosizato, Anosy, Anosipatrana, Besarety, Manjakaray, Ambodivona, Ambohimianarana ary Ankazomanga.
Tamin’ny 13 oktobra 2026, mpiasa an-tsitrapo miisa 100 avy ao amin’ny Orange Madagascar no nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny lalana mampitohy an’Anosy, Anosibe, Namontana ary Soanierana.
Tanjona ao anatin’ity hetsika karakarain’ny Orange Madagascar ity ihany koa ny mampifandray ny fanangonana fako amin’ireo rafitra afaka manodina azy, arakaraka ny karazany.
Hatolotra ny Andao Company ireo plastika ho avadika ho akora azo ampiasaina indray. Ny fako organika kosa, toy ny ambin-tsakafo, dia ankinina amin’ny Fablab solidaire Mamiratra, tantanan’ny SOS Villages d’Enfants ny fanodinana azy. hatolotra ny Vohitra Environnement. ny fako elektrika sy elektronika indray.
Anisan’ny vahaolana azo ampiharina amin’ny fako organika ny fanodinana azy ho komposta, izay azo ampiasaina hanatsarana ny tany. “Efa manomboka mipetraka fiarahamiasa amin’ny fanodinana fako. Ohatra, ampianarina ireo tanora eny anivon’ny Fab Lab sy Orange Digital fanodinana fako avy amin’ny sakafo na déchet organique ho lasa kaomposta na ho ampaisana ho akora ho entina mahandro na angovo madio”,hoy Ranaivoson Valérie, tomponandraikitry ny fiantraikan’ny asa sosialy sy ara-tontolo iainana eo anivon’ny Orange Madagascar.
Nambarany fa tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny fampivelarana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanodina fako sy ny fanentanana ny mponina.
“Ny fanofanana ny tanora amin’ny fanodinana fako dia hanampy azy ireo hahazo fahaiza-manao sy hampivelatra asa ahazoana fidiram-bola”, hoy izy .
Ao anatin’ny fandaharanasa « Miara manamaitso ny Tontolo » ny hetsika « Tanàna madio miaraka @ Orange », izay tafiditra amin’ny andraikitry ny Orange Madagascar eo amin’ny lafiny sosialy sy ara-tontolo iainana.
Mba hahazoana vokatra maharitra anefa, ilaina ny manamafy ny fanasokajiana ny fako eny amin’ny tokantrano, ny fanangonana azy araka ny sokajiny ary ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra mpanodina. Ny fanohizana ireo dingana ireo no ahafahana mampihena ny fako ariana eny an-dalambe sy any anaty tatatra, sady mampiroborobo ny fanodinana azy ho loharanon-karena indray.
Ra-Nirina



