Archives mensuelles décembre 2022


GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Ambohipiahaonan’ny mpianakavy


Hanomboka ny alarobia 21 desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 24 desambra 2022 ny Grande Braderie de Madagascar. Tontosaina eny amin’ny kiajan’ny Barea Mahamasina  ity hetsika karakarain’ny Mada Vision ho an’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona ity. 150 ny trano heva hivarotra ireo entana ilaina amin’izao vanim-potoana ny fety izao toy ny akanjo, kiraro, kilalao ho an’ny ankizy, kojakoja ao an-dakozia… “Iharan’ny fihenambidy 15 % avokoa ireo entana amidy. Misy aza mihoatra ny 15 % ”, hoy Ramanantsoa Harilala, mpikarakara.  Nambarany fa ambohipihaonan’ny mpianakavy ny Grande Braderie satria hita amin’ny toerana iray avokoa ireo entana ilaina sady afaka miantsena am-pilaminana ny mpitsidika noho ny fisian’ny “parking” sy ny mpiambina. Manomboka amin’ny 8 ora maraina ny vavahady no misokatra  ary mihidy amin’ny 7 ora hariva.

Ra-Nirina


AIRTEL MADAGASCAR : Hiaraka hamarana ny taona 2022 miaraka amin’i Jaojoby, Faniry Tana Group sy DJ CYMCE


 “Tohiny ny fanohanana ny hetsika ara-kolontsaina eto Madagasikara ny fanohanan’ny Airtel ny The Prestigious Time.  Manohana ity  fetin’ny faran’ny  taona ity ny Airtel Madagascar  ho famaranana ny taona 2022 miavaka indrindra. Efa nandritra ny fotoana ela no tsy nitsahatra nanohana hetsika ara-java-kanto sy nanakaiky ny mpanjifa miaraka amin’ireo mpanakanto sangany izahay. Amin’io fotoana io dia ampahafantatra bebe kokoa ireo vokatra  hampifandraisana ny Malagasy eto an-toerana na any ivelany izahay. Anisan’izany ny tolotra internet Fast Connect sy ny Airtel Money”, hoy i Ratsimbarison Anna, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Airtel Madagascar. Nohamafisiny fa efa an-taonany maro ny Airtel Madagascar  no nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana ny kanto sy ny kolontsaina, ny fanohanana ireo manan-talenta ary ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka malagasy sy ireo mpanjifany hianoka fotoana feno fifampizarana sy fihetseham-po miaraka amin’ireo mpanakanto ankafiziny  avy eto an-toerana na any ivelany.

« Adidinay ny mampifaly ny mpankafy », hoy i Jaojoby, mpanjakan’ny salegy nandritra fampahafantarana ny fety faran’ny taona The Prestigious Time. Anisan’ireo mpanakanto hanafana ity lanonana famaranana ny taona 2022 sy fitsenana ny taona vaovao 2023 i Jaojoby. Efa ho 10 taona mahery  ny tarika no tsy  nanao fampisehoana ho an’ny fetin’ny faran’ny  taona teto Madagasikara. « Amin’ny mpampandihy anay dia hampifaly ny mpankafy ny tarika Jaojoby. Tsy amin’ny alalan’ny salegy ihany fa hiara-hitotorebika amin’ny alalan’ireo gadona malagasy toy ny tsapiky, mangaliba, bahoejy ihany koa isika amin’io fotoana io. Irariana ho salama vatana isika rehetra », hoy hatrany ny mpanjakan’ny salegy nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety , ny zoma 16 desambra 2022 teny Alarobia Ivandry. Ankoatra azy dia hanafana ny alin’ny 31 desambra 2022 eny amin’ny Carlton Anosy ihany koa i Faniry ao amin’ny Tana Group sy DJ CYMCE. Samy hahazo ny anjara tandrifiny ireo  mpanatrika ny The Prestigious Time satria hampandihy amin’ny alalan’ireo mozika  nanamarika vanim-potoana maro  i Faniry amin’ny maha mpampandihy azy. Ho fety tsy hay adinoina ihany koa ny The Prestigious Time satria hampihanoka fety mahafinaritra ihany koa ny DJ CYMCE noho ny fahazainy mikosoka kapila sy mandrindra ireo karazan-kira.

Efa azo jifaina ao amin’ny Ticket Place sy eny amin’ny Mass-in ny tapakila famandrihan-toerana amin’ny The Prestigious Time. 275.000 Ariary ny sarany raha manjifa izany alohan’ny 26 desambra 2022, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. 300.000 Ariary kosa raha aorian’izany ary 175.000 Ariary ho an’ny zaza latsakin’ny 12 taona.

Ra-Nirina