Archives mensuelles juillet 2022


FOCUS DEVELOPMENT ASSOCIATION: Mbola misy ny trangana tsy fananan-tsata


Mila mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena. Ahitana endri-panavakavahana ao anatin’ny lalàna mifehy ny fizakana zom-pirenena norafetina tamin’ny taona 1960 izay mahatonga ny olona iray ho tsy manan-tsata, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra misahana ny lafiny lalàna ao amin’ny Focus Development Association, Razafiarison Lova.  Anisan’izany ny endri-panavakavahana mihatra amin’ny maha vehivavy amin’ny resa-pihaviana na firazanana na fivavahana. Arak’io lalàna io dia tsy afaka mamindra ny zom-pirenena  amin’ny zanany ny vehivavy Malagasy  iray raha tsy manan-tsata ny rain’ilay zaza  na teraka ivelan’ny fanambadiana ny zanany. Nanambara Razafiarison Lova  fa de dia be ny zo tsy azo sitrahana rehefa tsy mizaka ny zom-pirenena, toy ny tsy fahafahana mifidy, lasa voasokajy ho vahiny raha toa ka mandeha amin’ny toerana iray  ka samy hafa ny vola aloan’ny vahiny sy ny mizaka zom-pirenena. Ohatra any amin’ny hopitaly dia lasa mandoa sarany natokana ho an’ny vahiny. Tsy afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ihany koa na dia efa ela be aza no nipetraka teto Madagasikara.  Voafaritry ny lalàna fa raha te hahazo zom-pirenena ny olona iray dia tsy maintsy gasy ny  iray amin’ny ray aman-dreniny  na dia teraka teto Madagasikara aza.  Araka ny vokatrin’ny fanisana ankapoben’ny mponina sy ny toeram-ponenana andiany fahatelo (RGPH 3) dia olona 626  no nanao fanambarana ofisialy fa tsy manan-tsata.

Zo fototra ny fizakana ny zom-pirenena

Nisy ny fanavaozana sy fanitsiana io lalàna fizakana ny zom-pirenena io ny taona 2017 tamin’ny alalan’ny lalàna laharana 2016-038. “Voalaza ao ny fahafahan’ny vehivavy Malagasy mamindra zom-pirenena amin’ny zanany tsy misy fepetra. Ny fahafahana mamindra zom-pirenena amin’ny zanany dia nanafoana ny trangana tsy fananan-tsata eto Madagasikara. Tsy midika akory izany fa foana ny apatridie fa mbola misy trangana tsy fananan-tsata”, hoy hatrany ny tomponandraikitra misahana ny lalàna ao amin’ny Focus Development Association. Manoloana izany indrindra no nahatonga ny fikambanana mikarakara atrikasa miaraka amin’ny mpanao gazety ho fizaram-baovao sy fanentanana amin’ny ady atao ho an’ny olona tsy manan-tsata.  “Mbola misy antony mahatonga ny olona ho tsy manan-tsata ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena. Ny vehivavy Malagasy dia tsy afaka mamindra zom-pirenena amin’ny vadiny vahiny na apatride. Ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny fanavakavahana   atao amin’ny vehivavy anefa milaza fa tokony mitovy ny famindrana zom-pirenena amin’ny zanaka sy eo amin’ny mpivady nefa  ny vehivavy Malagasy tsy afaka mamindra amin’ny vadiny vahiny fa ny lehilahy afaka manao”, hoy Razafiarison Lova manazava ny antony hanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny mpanao gazety hanohizana ny tolona ho an’ny tsy  fananan-tsata.  Araka ny fanazavany dia foana ny tsy fananan-tsara rehefa mifanaraka ny lalàna iraisam-pirenena sy zon’olombelona ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena eto amintsika. Marihina fa mpanao gazety am-polony no mandray anjara amin’ny atrikasa  karakarain’ny Focus Development Association miaraka amin’ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny fitsao-ponenana. Nanomboka omaly 13 jolay ny  fiofanana ary hifarana androany 14 jolay 2022 eto Antsirabe.

Ra-Nirina


PARTENARIAT HISTORIQUE: Le ravinala en fer forgé exposé dans le jardin d’Anosy rend hommage à la collaboration harmonieuse entre l’Union européenne et Madagascar


La Délégation de l’Union européenne (UE) à Madagascar a souhaité offrir un ravinala en fer forgé  à la Mairie d’Antananarivo afin qu’il soit exposé dans un lieu public du choix de la Commune Urbaine d’Antananarivo (CUA) et qu’il soit ainsi visible par tous les habitants et visiteurs de la capitale. Continuer la lecture


FACULTE DES SCIENCES : Namelabelatra ireo andraikitra eo amin’ny lafiny Tontolo Iainana sahanin’Ambatovy


Nandray  anjara  tamin’ny  famelabelaran-kevitra  izay  nomanin’ny sampam-pianarana « Mention E- CES (Entomologie- Cultures, Elevage et Santé) sy ny « Mention Biologie et Ecologie Végétales » avy ao amin’ny « Faculté des Sciences » eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, teny Ankatso, ny 17 jona 2022, Ambatovy. Continuer la lecture