Nanao fanambarana ny birao nasionalin’ny KMF/CNOE -Fanabeazana olom-pirenena, ny 24 aogositra 2023 mba ho fifidianana Filoham-pirenena andraisan’ny rehetra anjara, marina ary eken’ny rehetra ka hitondra fitoniana no hitranga amin’ity taona 2023 ity. Noresahan’ny fikambanana manokana ny fanavaozana ny ratsamangaikan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). « Resy lahatra ny KMF/CNOE fa tsy mahasoa ny firenena ny fanesorana olona raha tsy misy antony manokana hita fa hanohintohina ny zotram-pifidianana. Hiteraka resa-be hanamaloka ny zotram-pifidianana io fanavaozana io raha misy fitsofohana mpanao politika fantatry ny rehetra ka hatolotry ny fikambanana izay mety tsy nandray anjara amin’ny zotram-pifidianana akory ». Nambaran’ i Namearson Robert, Filoha nasionaly fa tsy manala ny fahefan’ny CENI hanavao ny ratsamangaikany ny fikambanana fa kosa misintona lakolosy amin’ny mety fisian’ny tsindry politika ao ambadik’izany. Manentana hatrany ny olom-pirenena vanona rehetra ny fikambanana mba hanamafy ny fanaraha-masony sy fandraisany anjara mavitrika amin’ny zotram-pifidianana ka ho sahy hitoroka ireo zava-misy marina hita eny ifotony ka heveriny fa hanohitohina ny fanatontosana fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra sy hitondra fitoniana.
Lisi-pifidianana
Manao antso avo ihany koa ny fikambanana mba hilazan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny tetiandro hamoahany ny lisitra farany izay tsy ho kitihina intsony ka hiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny fanaraha-maso farany izay natao dia mbola nahafantarana fa nisy naoty navoaka avy ao amin’ny CENI Foibe naniraka ny rantsamangaikany eny anivon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana eny amin’ny distrika (CED) mba hangataka amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany (TPI) ny hamoaka didy, fantantsika amin’ilay fiteny hoe « ordonnance » mba hahafahany mampiditra ireo olona voaisa tamin’ny fotoana nanaovana izany fa tsy mbola tafiditra ao anatin’io lisitra io (OMIS) noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny « carnet » mirakitra ny fanoratana azy teny amin’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity. Narahina lisitra izany fanirahana izany ary naterina teny amin’ny TPI. Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : « Lalàna inona no ahafahana manao izany ?» Satria mazava ny voalazan’ny lalana fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka mahakasika izany ao amin’ny andininy faha-21 hatramin’ny faha-27 izay mbola nohamafisin’ny didim-panjakana momba ny « refonte ». Mampiteraka ahiahy ny amin’ny fahamatoran’ny fikirakirana ity lisitra ity izany. Etsy ankilany dia fantatra fa mbola misy ihany ny fikitihana ity lisitra nolazaina fa nofaranana ity mba hamaliana ireo fanakianana sy fanatsarana notakian’ireo mpitsirika avy amin’ny OIF sy ny teratany Malagasy. Ny Filohan’ny CENI anefa nilaza fa tsy hisy fiovana ny totalin’isa izay navoakany tamin’ny famaranana farany. Mbola manjavozavo araka izany ity resaka lisitra ity koa manainga ny CENI hitondra fanazavana marina mahakasika izany, raha ny fanazavan’ny birao nasionaly ny KMF/CNOE hatrany.
Tsara ho fantatra fa manana tetikasa telo ny fikambanana, amin’izao fotoana izao, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fifidianana. Fampitomboana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fifidianana ny tetikasa voalohany. Manohana ara-bola ny tetikasa ny UMass Boston-U.S, Department of State. Any Soavinandriana, Farafangana ary Antananarivo no toerana ikatrohana ny asa. «Tetikasa Fanentanana ho fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena lahy sy ny olom-pirenena vavy mandritra ny zotram-pifidianana», ny faharoa. Distrika 12 eto Madagasikara no ikatrohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olom-pirenena amin’izany : Ikalamavony, Nosy Be, Ihosy, Toliara I, Toamasina I, Maintirano, Mahajanga I, Morondava, Manakara, Fianarantsoa ary Tsiroanomandidy.Tanjona ny hampitombo sy hanatsara ny kalitaon’ny fandraisana anjara ny olompirenena amin’ny fifidianana ka hanekeny ny vokatry ny fifidianana ho avy amin’ny safidiny malalaka tsy nisy teritery ho amin’ny fanoavana na « Légitimité » ny mpitondra izay ho lany manaraka eo. Fahatelo amin’ireo tetikasa tanterahan’ny KMF/CNOE kosa ny « fangaraharahan’ny Fifidianana eto Madagasikara », tohanan’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF). Ity tetikasa ity izay hampandrosoana sy hanatsarana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika mba hahomby sy eken’ny besinimaro dia manomboka ny volana Jiona hatramin’ny Desambra 2023, amin’ny distrika 50 manerana ny Faritra 23 ka ikatrohan’ny mpanaramaso fifidianana 500 isa amin’ny andron’ny latsabato.
Ra-Nirina