politique

GNM: Firesahana an-databatra boribory no vahaolana amin’ny krizy miverimberina


 Nandefa taratasy tany amin’ireo kandida ho Filoham-pirenena ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana (GNM), ny 10 Novambra 2023 mba hijerena vahaolana maharitra sy tsy hiverimberenan’ny krizy  eto Madagasikara. Nanainga azy ireo hamosaka ireo tsangan-kevitra ijoroany ny fikambanana hivondronan’ireo Ray aman-dreny efa nitàna andraikitra ambony teto amin’ny firenena. Nihaona tamin’ny hery velona isan-tokony ihany koa ny GNM ka samy nilaza fa misy lesoka lalim-paka tokony arenina. Voafaritra mazava arak’izany fa  teboka efatra (4) lehibe no fototry ny olana eto amin’ny firenena. Voaresaka tamin’izany ny zom-pirenen’ireo mpilatsaka ho fidiana Filoham-pirenena eto Madagasikara, ny  fanajana ny lalàna manan-kery, ny fangaharaharan’ny zotram-pifidianana ary  ny fitanilan’ny fanjakana.  Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny mpikambana ao amin’ny GNM, ny 14 novambra 2023, teny Ankadivato ka nilaza izy ireo fa « tsy tokony ho safosafoana fotsiny ireo teboka efatra ireo fa tokony ho dinihina an-databatra boribory hitadiavana vahaolana maharitra mba tsy hiverimberina matetika eto amin’ny firenena ny krizy izay mitondra fahantrana hatrany ho an’ny vahoaka ». Miangavy ny rehetra ihany koa ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana mba tsy hifototra amin’ny tombontsoa manokana, na amin’ny tombontsoan’ny antoko fa tena hampanjaka ny fahamarinana, ny fihavanana, ary indrindra ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *