politique

KMF/ CNOE: « Lalana roa no azo hivoahana hananan’ny fanjakana hijoro eo « légitimité », na hifampidinika na hanao herisetra »


Fifampidinihan’ny herivelona  rehetra  hialàna amin’ny korontana  na fampiasana herisetra. Nanao fanambarana  ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, ny 21 novambra 2023 momba ny zotram-pifidianana fa “tsy ampy sady tsy tsara kalitao ny fampiofanana an’ireo mpikambana biraom-pifidianana ka nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato izany”. Vokatr’izany ny fahataran’ny fisokafana sy fanidiana ny biraom-pifidianana sasany. Ny fizarana ireo fitaovana hampiasaina no nandany fotoana kokoa noho ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Tsy nitovy ny fitaovana tonga tamin’ny birao fandatsaham-bato toa ny « lampe, piles, machine calculatrice, fiche de rajout ». Nahatsikaritra ny solontenan’ny fikambanana fa nisy mpifidy mbola nitondra akanjo na “tee-shirt” ana kandida nefa navela nifidy. Nanambara ihany koa ny fikambanana fa tsy nahavaly ny filàna vaovaon’ny mpifidy ny serasera nataon’ny CENI. Andro iray mialoha, maro ny olompirenena mbola nametra-panontaniana hoe « hisy ve sa tsy hisy ny fifidianana rahampitso 16 Novambra ? Paikady ara-pifandraisana ve no olana sa vola ?, hoy ny fikambanana. Nisy valopy lehibe mirakitra ny vokatry ny latsa-bato avy tany amin’ny fokontany vitsivitsy tsy nihidy tonga teo amin’ny SRMV. Tsy vitsy ireo koa velon-tairana fa tsy naharay ny tambikaramany. Mbola nisy tovana lisitra ny 15 novambra, tsy voahaja intsony ny «principe de gel de la liste». Mbola niavosa ny karatry ny mpifidy tsy voazara nandritra ny andron’ny fifidianana. Misy mpanara-maso tsy navela nifidy na dia nanana taratasy fanendrena aza, teo koa ireo mpanara-maso tsy navela niditra tao anaty birao fandatsaham-bato na dia ara-dalàna aza.

Taha ambany indrindra

Nilaza ihany koa ny birao nasionaly ny KMF/CNOE fa « ito fifidianana Filohampirenena 2023 ito no nahitana taham-pandraisana anjara ambany indrindra”. Anisan’ireo toeram-pandahatsaham-bato nahitana taha ambany indrindra tamin’izay narahan’ny fikambanana maso ny 13,64 % tamin’ny birao fandatsaham-bato iray teto Antananarivo. Tsiahivina fa ny ambany indrindra tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny taona 2018 dia tany amin’ny distrika Antsalova 35,61 %  ary ny fihodinana  faharoa kosa tao amin’ny distrika Ikalamavony izay nananika ny 25,37 %. Ny birao fandatsaham-bato nahitana taha ambony indrindra kosa izay 100 % ; Tamin’izao fifidianana izao dia tany ambanivohitr’i Marolambo. Marihina fa anisany taha ambony indrindra tamin’ny fihodinana voalohany tmain’ny taona 2018, tany Soavinandriana Itasy 67,67 %. Nampatsiahy ny fikambanana fa 53,23% taha fandraisana anjara tamin’ny ny fihodinana voalohany  tami’ny fifidianana filoham-pirenena, ny 7 novambra 2018 ary 48,09 % fihodinana faharoa. Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana  fa 644  ny isan’ny mpanaramaso solontenan’ny KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenna nipariaka nanarana ny faritra 23, nandritra ny androm-pifidianana  Filoham-pirenena, ny 16 novambra lasa teo . Tamin’ny birao fandatsaham-bato 1.376, ivon-toerana fandatsaham-bato 738 , no nanaramaso izy ireo nisandrahaka tamin’ny disitrka 69 ka ny 50 no nahazo tohana ara-bola avy amin’ny OIF.

Vahaolana ialàna amin’ny herisetra

Amin’ny toa izao dia mihevitra ny fikambanana fa làlana roa no azo hivoahana hananan’ny fanjakana hijoro eo « légitimité » :  Fifampidinihan’ny herivelona eto amin’ny firenena mba hiara-hikaondoha amin’izay hitondrana ny firenena hialàna amin’ny korontana  na fampiasana herisetra. Raha azo atao anefa tsy mahasoa ny Malagasy izany herisetra izany. Manome hafatra  ho an’ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina politika ny fikambanana mba hanajanona ny fanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena;  hanajanona tsy misy hatakandro ny fifandranitana sy ny ramatahora amin’ny endriny rehetra;  hanaja ny zo maneho hevitra ankalalahana ho an’ny rehetra; ny fiaraha-midinika sy fitadiavana marimaritra iraisana ihany no ahafahan’ny firenena mandroso ao anaty fitoniana; mila hatsaraina ny lalana momba ny fifidianana sy ireo “ordonnances des années 60”. Miantso ny CENI ihany koa ny fikambanana mba hanao fanadihadiana ireo tsy fanarahan- dalàna rehetra niseho mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana fa fahefana nomen’ny lalàna azy izany. Miandry ny fanasaziana ireo rehetra nandika lalàna nandritra iny fifidianana iny ny KMF /CNOE. Miandry ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandida nandritra ity fifidianana ity  filohan’ny malagasy rehetra izay lany eo fa tsy filohan’izay nifidy azy ka ny malagasy rehetra no mila misitraka ny tombontsoa fa tsy izay manana ny karatry ny antoko sy ny mpiara-dia aminy ihany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *