politique

COLLECTIF DE L’ADMINISTRATEUR CIVIL : Tandindomin-doza ny firenena, miantso ny fanelanelanana


Hijoro ny collectif d’administrateur civil. « Miantso ny tomponandraikitra eto amin’ny firenena toy ny FFKM, ny HCC hatsiaro tena ary mba ho afainganina sy amafisina ny fanelanelana fa tandindomin-doza ny firenena. Izany fifidianana izany azo atao foana », hoy Ratolojanahary Maharavo na Doudou, mpitondra tenin’ny Collectif de l’administrateur civil.   Sarotra ny fanarenana raha sanatria misy fifamonoana ny samy malagasy eto. Aoka tsy ho baikon’ny mpanao politika isika administrateur civil fa izy ireo mandalo, isika kosa mitoetra eto foana ary tsy ho afa miala raha sanatria misy ny korontana. Noho izany dia hangataka fihaonana amin’ny ray aman-drenim-piangonana FFKM izy ireo amin’ny alatsinainy 11 septambra 2023. Hitady fihaonana faran’izay maika amin’ny minisitry ny atitany ihany koa izy ireo. Mahatsapa ny administrateur civil fa misy zavatra tsy mety ny fanampaha-kevitra raisin-tsika izao, hoy izy. Na tiana na tsy tiana tsy afaka hijery fotsiny ny ministeran’ny atitany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, aloha, mandritra ary aorian’ny fifidianana na dia ny CENI aza no mikarakara, ao anatin’izany ny filaminam-bahoaka. Anisany ho teninay aminy ny fanajana ny « neutralité » fa sao sanatria hanome baiko ny prefet, ny lehiben’ny distrika tsy hamela ny fivoriana, hoy hatrany izy. Hita taratra izany hatramin’izay, toy ny tsy famelana ny kandidà hivory teny Mandrimena vao tsy ela nefa rehefa ny mpanao politika miaraka amin’ny fitondrana mamory olona sy mivory dia afaka manao izany malalaka. Anisany hangataka fihaonana amin’ny prefet an’Antananarivo koa izy ireo noho izany. Hitety faritra ihany koa hiaona amin’ireo prefet sy lehiben’ny distrika hidinika fa tsy afa miala amin’ny zava-misy amin’izao izy ireo raha ny nambarany hatrany. Eo ihany koa ireo tomponandraikitry ny mpitandro filaminana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *