Nanatitra fanampiana ho an’ireo traboina eto Antananarivo renivohitra vokatry ny oramikija tao amin’ny andro maromaro ny Orange Solidarité Madagascar. Continuer la lecture
Archives mensuelles janvier 2022
AMBATOVY : Nanome tolo-tanana ny kaominina Antananarivo renivohitra
Ao anatin’ny ezaka fanampiana vonjitatra ireo traboina vokatry ny rotsakorana namely ny faritra maro teto Madagasikara, indrindra ny teto Andrenivohitra, dia nanolotra vary 10 taonina ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) Ambatovy, ny Alakamisy 27 janoary 2022. Continuer la lecture
BNGRC : Manamora ny fanangonana ireo antontan-kevitra ny fanomezana avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar
Mametraka fitokisana. Nanatitra fanampiana teny amin’ny Birao Nasionaly mitantana ny tandidon-doza sy ny loza (BNGRC) ny Orange Solidarité Madagascar ny 26 janoary 2022 teny Antanimora. Continuer la lecture
LE CFM EN DEUIL : Le Professeur ANDRIANASOLO Roger n’est plus
Le Conseil du Fampihavanana Malagasy CFM est en deuil. Le Professeur ANDRIANASOLO Roger, membre de cet organe d’Institution est décédé à Paris mardi 25 janvier 2022 à 19h00 (17h00 GMT) suite à une longue maladie.
Il fait partie des 11 membres nommés par le Président RAJAONARIMAMPIANINA au sein de cette entité, comme étant Conseiller du faritra DIANA. Par ailleurs, le Pr Andrianasolo Roger était à la tête du Ministère des Recherches Scientifiques sous le régime ZAFY Albert.
Le retour de la dépouille mortelle ainsi que l’acheminement du corps sur Ambilobe seront connus ultérieurement.
La Rédaction du journal Délire Madagascar présente ses sincères condoléances au CFM ainsi qu’à la famille de cet illustre fils de la province de Diego-Suarez.
Propos recueillis par Razaka Oliva
————————————————————————————————————————————
MISAONA NY CFM
Nodimandry ny Profesora ANDRIANASOLO Roger
Misaona ny Conseil du Fampihavanana Malagasy. Banga iray ny laharan’ny CFM faritany Diego-Suarez, faritra DIANA. Nodimandry tany Paris ny Profesora ANDRIANASOLO Roger ny talata 25 janoary 2022 tamy 7 ora hariva oran’i Madagasikara.
Anisan’ireo mpikambana 11 mianadahy notendren’ny Filoha Rajaonarimampianina eo anivon’ny CFM ny Profesora, misolotena ny faritra DIANA. Efa nitantana ny Ministeran’ny Fikarohana Siantifika izy fony Profesora ZAFY Albert nitantana ny Tany sy ny Fanjakana.
Hambara amy manaraka ny fahatongavan’ny razana eto an-tanindrazana sy ny fotoana handevenana any Ambilobe.
Maneho ny fiaraha-miory amy fianakaviana sy ny andrim-panjakana CFM ny gazety Délire Madagascar.
Nanangona Razaka Oliva
LA CHARITE DE MADAGASCAR: Hitohy ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fizarana sakafo ho an’ireo traboina
Ireo mpamaky vato ao amin’ny “carrière” ao amin’ny fokontany Andranomena no nanombohan’ny fikambanana “La Charité Madagascar” ny fizarana sakafo masaka ho an’ireo traboina vokatry ny oramikija tao anatin’ny 10 andro farany teo. Continuer la lecture
LA CHARITE DE MADAGASCAR: Nitety ireo tokantrano traboina noho ny andro ratsy
Niantso ny fikambanana “La Charité de Madagascar” avy hatrany ny orinasa Aaleemee Society ao Maorisy vao nahare fa maro ireo traboina vokatry ny andro ratsy sy ny oramikija nitranga teto Madagasikara tao anatin’ny andro maromaro. Continuer la lecture
FIFIDIANANA FILOHAN’NY ASIEF: Kandida tokana i Andrianarison John na i John Love
Andrianarison John, filohan’ny ASIEF teo aloha ihany no kandida nanatitra ny ny antontan-taratasy filatsahankofidiana teny amin’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana. Nifarana ny 21 janoary 2022 tamin’ny 4 ora sy sasany ny fara-fanaterana izany. Continuer la lecture
CAN 2022 ATSY CAMEROUN: Lalao 51 handeha mivantana amin’ny Startimes
Nahazo alalana handefa mivantana ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika – CAN 2022 atao atsy Cameroun ny Startimes. Lalao 51 no handeha mivantana amin’ireo chaîne momba ny fanatanjahantena. Continuer la lecture
RAHARAHA VOLAMENA 49 KILAO: Mifanerasera mivantana amin’ny ministeran’ny fitsarana ao Comores fitondram-panjakana malagasy
Ho tsotra kokoa ny dingana arahina amin’ny fampodiana an-tanindrazana ireo teratany malagasy voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko volamena 49 kilao noho fifanarahana ara-pitsarana misy eo amin’i Madagasikara sy Comores. Continuer la lecture
FAHAMAIZANA TAO ANDEKALEKA: Heverina ho “incendie criminel”
Misokatra ny fanadihadiana momba ny firehetan’ny transformateur voalohany manana tanjaka 30 MVA tao Andekaleka. Continuer la lecture