Nahemotra ny faran’ny volana martsa 2017 ny fanovana ireo « carte grise » teo aloha ho « carte grise biometrique ». Nandray izao fanapahan-kevitra izao ny minisitry ny atitany sady praiministra lehiben’ny governemanta.
Anterivava : RAJAONARISON Charli Hyacinthe
« Manodidina 130.000 ny « carte grise biometrique» na 65% no efa vita ankehitriny », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny foibe mpanome laharan’ny fiara etsy Ambohidahy, RAJAONARISON Charli Hyacinthe. Noho ny filaharana be sy ny fahitan’ny tomponandraikitra fa tsy tratra ny fotoana faran’ny volana desambra 2016 hanovan’izy ireo no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Raha ny tombana, ho vita amin’ny volana febroary 2017 ny fanovana ireo ambony ireo. « Manentana ny olona mba tsy hiandry ny farany vao hanova fa izay no antony izao filaharam-be izao », hoy izy. Nanambara, ihany koa, izy fa tsy misy mpiasan’ny foibe mpanome laharan’ny fiara mijoro any ivelany kanefa tsy lavina ny fisian’ ireo mpisandoka. Miara-miasa amin’ny polisy izy ireo hiadiana amin’ireo mpanao ratsy ireo. Nanentana izy mba tsy handoa vola any ivelany fa efa misy ny « guichet unique » hanaovana izany. « Tsy maintsy ny tompony ihany no manova ny taratasy famantarana ny fiara fa rehefa tena tsy afaka ny tompony dia manao fahazoan-dalana ( procuration ) ary vita firaketana an-tsoratra ( enregistré ).
Nirina R.