Socio-eco

TAOMBAOVAO 2025: Fankalazan’ny tantsambo tranainy


Ny sabotsy 22 marsa 2025 no nifamotoana niara-nankalaza ny taobaovao 2025 ny tantsambo tranain’ny Tafika an-dranomasina malagasy. Teny an-tokantranon-dRabehaja Mamy sy Aimée vadiny teny Merimandroso Ivato no nanatanterahana an’izany.

Nifamotoana teo amy ny Horizon Ivato tamy 09.00C

Nifamotoana teo amy ny Horizon Ivato tamy 09.00C

Tsy manandro ny matafs

Sady tsy manandro no tsy milalao hitsakandro (astrologie) ny tantsambo na dia nianatra sy mahay an’izany aza ny ankamaroany, ary tsy maintsy mikirakira an’izany mihitsy rahateo eo am-panatanterahana ny asa (timoniers, chefs de quart…), fa mikendry kosa ny fotoana tsara sy mety ifankahitana. Tsy azo lavina tokoa fa mijery ny toetrandro (météo) sy mizaha ny toetry ny volana sy kintana ny tantsambo mba haminavinana ny hatsaran’ny andro ifamotoanana. Tsy dia izany loatra anefa fa noho ny volana marsa efa lasa lavidavitry ny taobaovao mahabe adidy ny isam-batan’olona. Saika efa nahavita ny adidy tsy azo nialana avokoa ny marins rehetra rehefa lasa ny volana janoary sy febroary ka izay no laharam-pahamehana. Ny datin’andro firotsahan’ny pension any amin’ny banky koa mason-tsivana iray mibaiko ny fotoana satria efa ronono no fisotro fa tsy toy ny tany ambony sambo intsony.

Voarambin’ny tanana.

Toy ny fanao mahazatra ny matafs dia misy tokantrano iray manaiky na manolo-tena hampandroso ny fivoriana. Koa rehefa eken’ny maro dia faritana ny andro hihaonana. Tsy misy sata manokana na statut ny firaisan’ny ex-matafs tafika an-dranomasina malagasy, tsy misy latsakemboka aloa, fa fifankatiavana tsotra baikon’ny fitiavana hihaona ny samy mpiray donak’afo fahiny teny ambony ranomasina. Mikarakara araka izay tratry ny heriny ny mpandray fivoriana, fa ny isam-batan’olona kosa dia samy mivatsy izay ody ambavafo sy fialana hetaheta voarambin’ny tanana hanatevenana izao haroson’ny tompontrano. Azo hatao sy fanao, ary tokony hatao ny mitondra vehivavy. Saika efa nifankalala tany Diego sy tany an-dafy avokoa ny ankamaroan’ny vadina tantsambo sy ny matafs tranainy.

Toy izao ny fiainana tao amin’ny cafeteria sy carré des officiers

Toy izao ny fiainana tao amin’ny cafeteria sy carré des officiers

Tsiahy ny lasa.

Niaraha-nihira ireo kalon’ny fahiny sy vazon’ny tantsambo fanao. Nifandimby naneho ny talentany tamin’ny fitendrena gitara ny amiraly Rakotoarisoa Marie Lucien sy ny mécanicien Ralalanjatovo Fidèle. Ny rehetra kosa niara-niredona ireo hira teny malagasy, frantsay ary anglisy tandrify ny habaka toy ny “Rakoto Matilo” (izay marihina fa tantsambo mécanicien tao amy Fanantenana Rakotondramonjy Daniel no namorona ny tonony, ka natolony an’i Jérôme Randria Railovy ka novolavolainy ho hira fikalo). Nanakoako koa ny “Marin” an’i Petula Clark, ary tsy adino ny “Yellow submarine” an’ny Beatles, “La mer” an’i Cliff Richard. Tsy noadinoina koa anefa ireo vazo sy jijy noforonin’i Bessa, Mahaleo, Rossy Lôlô, Johnny Halliday, Joe Dassin sns…

Resa-kehy.

Tsy ny tantara sy ny lasa nampiomehy ihany no nifampahatsiahivana fa nasongadina nandritra ny fihaonana koa ireo tantara nampalahelo. Anisan’ireny ny fahoriana nanjo ireo Koreana tavela tao anaty sambo rendrika tao amin’ny mer d’émeraude nafatratry ny onja maherin’ny vava lapasin’i Diego ka natsikasiny tambony akorandriaka manambaka vatolampy rehefa “marée basse”. Ny équipage-n’i Fanantenana nobaikon’ny Lieutenant de vaisseau Pitrat Noël notarihan’i Bob Raberanto radiô sy Razafinjatovo Ferdinand (Gôgô) bosco ary Ali Abdoulah mécano no nitondra Dinghyn (na zodiac) vonjy maika nitondra sakafo sy fanafody sao nisy naratra. Rehefa fantatra ny fahasimbana sy fahapotehana nanjo ny sambo Ta Lien 11 sy ny isan’ny mambra équipage, dia nalefa ny barges roa (“Benono”) haka azy rehetra ireo ho eny ambony Fanantenana. Notsiahivina koa ny tantaran’ny sambo lehibe Lorient London, izay nitondra “minerai” saropady avy any Afrika Atsimo kanefa niaran-doza tany Nosy Mitsio. Ny komandà Razafindraleva Alain no voatendry nitaritarika izany sambo goavana izany hatrany Tamatave. Tsaroana koa ny fahakingan’ny enseigne de vaisseau Razafindraleva Alain tamin‘ny fotoan’androny (1971) noteren’ny rivodoza roa samy hafa (Eugènie sy Fabienne) teo amy fidirana ny vavarano avaratry ny nosy Sainte-Marie. Nisamboaravoara ny ranomasina ary fitahian’Andriamanitra nanampy ny fahaizany no tsy nahadobo ny sambo Fanantenana. Tsaroana koa ireo loza niatra tamin’i Fanantenana tany Soalala sy Toky tany Maintirano tamin’ny fotoan’androny…

Ireo Matafs teto Vohitsara sy ny manodidina akaiky ihany ireo niara-nikorana ireo fa nandefa hafatra fiarahabana sy rary soa kosa ireo matafs namana monina any Diego-Suarez sy any Antsirabe. Ny  namana timonier tranainy tao amy Fanantenana King-Kong na Ra-Kiss no handray ny taombaovao 2026 raha sitrapon’ny Tompo.

Nanangona Razaka Oliva


3 comments on “TAOMBAOVAO 2025: Fankalazan’ny tantsambo tranainy

  1. RANDRIALANDY Nicolas Pierre

    Mahafinaritra Ary masoandro mody no mampalahelo amin’ny fihaonana ohatr’izao. Mankasitraka antsika rehetra ary misaotra ny délire Madagascar.com namoaka izao fifampiarahabana 2025 izao

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *