Archives mensuelles janvier 2019


MPONIN’I BONGATSARA: Nivadika foto-drafitr’asa ny hetra naloany


Nanamarika ny taona 2018 ny kaominina ambanivohitr’i Bongatsara ny fanamboarana foto-drafitr’asa. Ao ireo foto-drafitr’asa efa vita, ao ihany koa ireo an-dalam-panokanana. Commune Bongatsara 2Vita « pavé » tamin’iny taona lasa iny ny lalana mirefy roa kilometatra ao Ambohipiadanana, fokontany Antsahabe ary ny lalana ao Angodongodona fokontany Ambohibao mirefy iray kilometatra sasany. Nasiam-panamboarana ihany koa ny tetezan-kazo ao Angodongodona ka lasa « béton » izy amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany, namboarina ny biraom-pokontany ao Ambohibao. Tsy azo adinoina fa nipetraka ho tantara ny hôpitaly fandidiana vaovao amin’ny kaominina Bongatsara izay notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny volana aogositra 2018.Commune Bongatsara 7
Tsy mandeha lavitra intsony ny mponina sy ny manodidina satria hita ao ny fandraisana sy fikarakarana ny vonjy taitra (Accueil-Triage-Urgences), ny fitsaboana ny aretina ankapobeny (Médecine générale), ny fandidiana ankapobeny (Chirurgie générale), ny « opération césarienne » ho an’ny vehivavy hiteraka. Ahitana toeram-pivarotam-panafody sy « laboratoire » ihany koa. Eo an-dalam-panokanana kosa ny « complexe » amin’ny CEG Amboanjombe izay ahafahana milalao « tennis de table », araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ny kaominina Bongatsara, Hanta Rabearisoa. Ireo foto-drafitr’asa ireo no vita dia tao ny fandraisan’anjaran’ny mponina tamin’ny alalan’ny fampidiran-ketra. « Manomboka mazoto ny mponina mandoa hetra », hoy ny ben’ny tanàna. Misedra olana anefa ny kaominina Bongatsara amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny ben’ny tanàna sy ny lehiben’ny fokontany ao Ambohibao fa mirongatra indray ny hala-botry sy ny vaky trano ary ny halatra taolam-paty.

Lynda A.

Horonan-tsary