Archives mensuelles octobre 2016


FITRANDRAHANA AO SOAMAHAMANINA: Tsy ao anatin’ireo mitokona ireo mampanofa ny tany.


HORONAN-TSARY

Fanadiadihana

Efa tsy eny an-toerana intsony ireo sinoa saika hitrandraka volamena ao Soamahamanina. Fitaovana vitsivitsy sisa no hita eny fa saika nampiakarana eto Antananarivo avokoa. Nitondra fikorontanana ho an’ny mponina ny Soamahamanina mihitsy ny fitrandrahana volamena saika ataon’ny orinasa sinoa JIUXING MINES. Araka ny fanazavan’ny tomponandrikitry ny serasera, Stella ANDRIAMAMONJY, miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ihany ny fitohizan’ny tetikasan’ireo sinoa. Hatreto aloha dia mbola manan-kery ny fahazoan-dalana azon’izy ireo. Manan-kery mandritra ny 40 taona izany. Naato izany ny fitrandrahana. Raha nidina teny an-toerana izahay, tany sy tanimboly an’olon-tsotra maromaro ny tafiditra ao anatin’ny toeram-pitrandrahana. Mirefy 10 ha eo no efa vita fifanarahana tamin’ny tompon-tany. Havaozina isan-taona ny fifanarahan’ ny roa tonta. Naneho ny heviny ny raim-pianakaviana iray anisany mampanofa ny tany amin’ny sinoa fa mahazo tombony kokoa ny tenany amin’ny fampanofana ny tany. Voly mangahazo mantsy no voleny. “Manodidina ny 300.000 Ariary isam-bolana eo no hofan’izany”. Ankoatra azy, nanamafy ihany koa i Martin RASOLOMANANA fa tsy anisan’ireo mitokona isaky ny alakamisy ireo tompon-tany. Nambarany fa ireo mpitokona ireo mihitsy no tena manakorontana. Aiza ve ka isaky ny tsena alakamisy mitokona foana? Raha tsy maintsy atao aza izany maninona raha amin’ny andro hafa? “Tao anatin’izay fotoana nisavorovoroana izay tokoa dia nihena ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra satria vitsy ireo mponina no mandeha miantsena satria matahotra sakoroka”, hoy izy.

Ankoatra ny fitrandrahana, tetikasa ho fampandrosoana tanana maro no nifanarahan’ny orinasa sy tanana ao Soamahamanina. Nilaza ny lehiben’ny fokontany, Laurent RAKOTONIRINA fa efa nisy fifampiresahana tamin’ny orinasa ary noezahina nampahafantarina izany ny fokonolona.

Fiahiana ara-tsosialy toy ny fanamboaran-dalana, tobim-pahasalamana , sekoly…no efa voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa. Ho laharam-pamehana ihany koa ireo mponina amin’ny fandraisana mpiasa. 900 isaky ny fokontany eo no horaisina raha tontosa soamantsara ny fitrandrahana volamena ao Soamahamanina.

Nandeha ny resaka fa voakasika ny ala tapia. Nohamarinin’ny tale teknikan’ny orinasa, Dany RASOLOMANANA fa tsy voakasika mihitsy ny ity farany na ny toerana misy an-dry mopera aza. Nohazavainy ihany koa fa voafehy tanteraka ny toerana manomboka any amin’ny toeram-pitrandrahana ka hatrany amin’ny fanivanana ny tany. Noho izany, tsy ahiana handoto ny rano na ny renirano amin’ny manodidina ireo akora ampiasaina amin’ny dingana lalovana rehetra.

Nirina R.


HETSIKA MIARAMILA TRANAINY : Tsy miombon-kevitra ny Tantsambo


Naresaka be ny fanambarana nataon’ny “ex-militaires” miomana handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy iza ireo efa ireo miaramila misotro ronono sy miaramila tranainy.
Tsy miombon-kevitra amin’izy ireo kosa anefa ny “ex-matafs” na “ex-marins” tao amy Tafika an-dranomasina malagasy, dia ireo Tantsambo tranainy izany. Malalaka ny tsirairay sy ny isam-batan’olona haneho ny heviny hoy izy ireo. Continuer la lecture