25 %-n’ny mpianatra eny amin’ny oniversite no miala an-daharana araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky iraisampirenena. Diso safidy tamin’ny lalam-piofanana no anisany mahatonga izany. Continuer la lecture
Archives mensuelles octobre 2019
ANTOKO UNDD: Hanomana ny eny ifotony
Feno 30 taona katroka ny antoko politika UNDD (Union nationale pour le développement et la démocratie). Manantanteraka filankevi-pirenena eny amin’ny Andavamamba ny antoko nanomboka androany ka hatramin’ny rahampitso 31 oktobra 2019. Continuer la lecture
BNGRC: Manatevin-daharana amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza ny BAD
Vinavinaina ho 200 tapitrisa Ariary isan-taona ny fahavoazana ara-toekarena sy ara-tsosialy ateraky ny loza voajanahary toy ny rivo-doza, haintany, andiam-balala, tondra-drano sy ny maro hafa eto Madagasikara. Continuer la lecture
FONDATION TELMA- PSHP: Mifanome tanana amin’ny fanampiana ny maha olona
Ny any Atsimo mijaly vokatry ny tsy fahampian’ny rano, ny any Avaratra misedra olana rehefa be loatra ny orana. Taorian’ny teny Antaninarenina, mampiantrano ny fampirantiana an-tsary mampiseho ny olana sedrain’ireo mponina any Atsimo sy ny any Avaratra vokatry ny loza voanjanahary eny amin’ny Showroom Jovena, Galaxy Andraharo ny Fondation Telma sy vovonan’ny sehatra tsy miankina amin’ny lafiny maha olona (PSHP). Continuer la lecture
SECES ANTANANARIVO: Mitokona tsy fidiny
Taorian’ny fivoriana nataon’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra androany faha-29 oktobra 2019, tapaka ny hevitra fa hiroso amin’ny fitokonana izy ireo. Continuer la lecture
HAONA FI: Voaramaso ny fahasalamana, mahazo asa izay mitady, vita ho azy ny fiantsenana
Ankoatra ny asan’Andriamanitra, laharam-pamehana ho an’ny fiangonana FJKM ny sosialim-bahoaka. Mandritra ny hetsika Haona Fi andiany faharoa dia hisy ny fitiliana aretina maro toy ny VIH/SIDA, aretin’aty, diabeta, maso, homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza  sy fanalà na nify ary fijerena ny tosi-drà . Continuer la lecture
COUPE DE CONFEDERATION 2019/20 : Nanaiky ny fahareseny ny RS Berkane
« Kely fa teknisiana ny ekipan’i Fosa Juniors ». Continuer la lecture
SKYLINE NGO: Lasan’i Épistolier ny loka goavana tamin’ny Bright Top III.
Ho fanomezana sehatra ny tanora Malagasy ny fifaninanana Bright Top III. Continuer la lecture
RAJERISON NICOLE VERONIQUE: Mitovy fomba fijery amin’ny kandida Andriantsitohaina Naina
Lavitry ny fandrosoana i Iarivo ka mila avadika ny pejy. Continuer la lecture
ORANGE MONEY – BDC: Ho mora ny fandefasana vola avy any Comores manketo Madagasikara
Kômôriana 200.000 isa no mivezivezy sy monina eto Madagasikara amin’izao fotoana raha ny tarehimarika nomen’ny tale ara-barotry ny Orange Money eto Madagasikara, Tovomanitra Rakoto. Continuer la lecture