Socio-eco

GEM : Misy fiantraikany ratsy amin’ny fandraharahana ny fanohanan’ireo mpanambola kandida amin’ny fifidianana


Tokony atao mangarahara. « Rehefa mpanambola no mamatsy vola kandida, mazava ho azy fa  mila tamberina izy ka mitaky ny hamerenana ny volany amin’ny fomba A na B na C izy, toy ny fahazoana tsenambarom-panjakana. Misy fiantraikany ratsy amin’ny fandraharahana, amin’ny lafiny fifaninanana izany satria tratry ny kolikoly ny fahazoana tsenambaro-panjakana », hoy i  Rajaona Thierry, Filohan’ny Vondron’orinasa eto Madagasikara (GEM) nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 11 Mey 2023 teny Ambohijatovo. Mangataka amin’ny mpikambana ao aminy ny GEM raha misy orinasa te hanohana kandida dia « mba atao anaty mangarahara, tahaka ny zava-mitranga any Etazonia ». Mangataka amin’ny Bianco ihany koa ny sehatra tsy miankina ny hamoahana ny lalàna momba ny famatsiam-bola ny kandida.  Nanao fifanarahana ny sehatra tsy miankina  (GEM sy FIVMPAMA) sy ny Bianco ny herinandro lasa teo ho fiadiana amin’ny kolikoly.  « Handray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly ny sehatra tsy miankina. Hitady ny fomba rehetra iarahana miasa ahafahana mampihena ny kolikoly ny Bianco sy ny sehatra tsy miankina », araka ny fanazavany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *