Archives mensuelles mars 2017


VISION MADAGASCAR: Nanotrona ny fahatsiarovana faha-70 taon’ny 29 martsa 1947 tany Moramanga.


Niara-nanotrona ny fotoam-dehibe ho fahatsiarovana faha-70 taon’ny tolona nataon’ireo mahery fo tany Moramanga ny mpiasa rehetra ao amin’ny orinasa VIMA Woods. Ity farany izay orinasa Malagasy tokana mitrandraka ny ala any Moramanga, manaraka ny fenitra FSCTM. Noho ny fahatsapana fa zava-dehibe tokoa ny tantara nitranga tamin’izany fotoana izany ary hisy hiatrehana ny ho avy dia anisany nametraka fehezam-boninkazo niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany koa ny ekipan’ny Vision Madagascar (VIMA). Continuer la lecture


VISION MADAGASCAR : Vonona ny hampandroso ny toekaren’i Madagasikara hatrany.


Nandritra ny “Forum International Afrique Développement” natao tany  Casablanca (Maroc), nanamafy ny toky nomeny fa hampandroso ny toekarena Malagasy ny orinasa VIMA (Vision Madagascar). Efa nambaran’ny Vision Madagascar tamin’ny fivoriamben’ny mpamatsy sy mpampiasa vola, tany Paris  farany teo fa efa misy  fandaharan’asa momban’ny foto-drafitra asa sy ny  angovo  ho atao eto Madagasikara izay ampiasaina vola mitentina 300 tapitrisa dolara. Continuer la lecture


MBOLA AZO AMPIASAINA NY « PERMIS DE CONDUIRE » SY NY « CARTE GRISE » ANKEHITRINY…


Nihemotra amin’ny 31 Desambra 2017 indray ny fe-potoana farany hiasan’ny taratasy fahazoana mamily fiara  sy ny « carte grise » ny fiara-kodia. Antony lehibe tsy maintsy anovana ireo taratasy ireo ho biometrique ny andiovana ny « permis de conduire »  sy ny « carte grise » sandoka raha ny fanazavana azo. Aorian’io fotoana io kosa dia ny « permis de conduire » sy « carte grise » biometrique no ampiasaina kanefa kosa tokony azo atao hatrany ny manova ny teo aloha.

Nirina R.


FIANARANA AMBARATONGA AMBONY TSY MIANKINA: Misy oniversite mampiasa ny fankatoavana lalam-piofanana iray ho an’ny sampam-pianarana rehetra.


Betsaka ny tanora vao afaka bakalorea no tsy mahafantatra akory ny tena marina ambadiky ireny fianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana milaza fa “habilité par l’Etat”. Diso ny filazana hoe: “université habilitée par l’Etat” fa formation(s) habilitée(s) par l’Etat no fiteny. Continuer la lecture


HAZAKAZAKA POSIPOSY MAMPIRAY TOUR 2017: Lalao hampifandraisana sy hiarovana ny tombontsoan’ireo mpitari-posy entin-tanana.


Misedra olana ireo mpitari-posy entin-tanana izay fitaovam-pitaterana mahomby ary mahasarika mpizahan-tany ny fandehanana aminy. Vokatry ny fidiran’ireo fitaovam-pitaterana hafa manaraka ny fanatontoloana toy ny “bajaj” sy ny “cyclo-pousse” eto Madagasikara, nihena ny isan’ireo miasa amin’azy ity. Teraka noho izany ny hetsika goavana “hazakazaka posiposy mampiray tour 2017”. Continuer la lecture


Confédération Africaine de football (CAF) : Le Malagasy Ahmad élu président !


Après 28 ans de règne du Camerounais Issa Hayatou  (70 ans) à la tête de la « Confédération Africaine de football » (CAF),  suite à l’élection qui s’est tenue, à Addis Abeba (Ethiopie) au siège de l’UA, son seul concurrent, le Malagasy Ahmad (54 ans), président de la Fédération malagasy de Football l’a battu par 34 voix contre 20.  Ahmad devient donc le président de cette Confédération africaine de football.

Continuer la lecture