politique

KANDIDA RASOLOFONORONIAINA JULIA MICKAËLLE NA I MISHAH : Hanova lalam-panorenana hidirana amin’ny Repoblika fahadimy


Hanao fitsapan-kevi-bahoaka. Nanao fanambarana i Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah androany alarobia 23 aogositra 2023, teny Mamory Ivato fa anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, tontosaina ny 09 novambra 2023. Vehivavy fahatelo nilaza am-pahabemaso ny filatsahan-ko fidiany i Mishah. Manambady aman-janaka izy ary avy eny Anosizato. Manana diplaoma momba ny fitantanan-draharaha, lalàna irasaimpirenena, politika ny tenany. Teknisiana amin’ny tontolon’ny  farmasia izy ary an-dalam-pamaranana ny fianarana momba ny lalàna iraisampirenena sy diplaomasia, ahazoana ny diplaoma Master 2. Raha amin’ny lafiny sosialy, hetsika maro no efa nataony ho fanampiana ny mpiara-belona. Filohan’ny  fikambanam-behivavy Force Féminine d’Aide Mutuelle (FFAM), Filoha mpanorina ny Vondrona Maroloko Mpanome Tanana ny Filoha (VMMTF)  izy. Laharam-pamehana ho azy ny fanovàna lalam-panorenana raha tonga eo amin’ny fitondrana.   Nambarany fa mahatonga savorovoro politika sy mampahantra ny Malagasy ny Repoblika fahaefatra. « Vahaolana ny firosoana amin’ny Repoblika fahadimy. Tsy natao ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ny lalam-panorenana amin’izao fotoana izao fa ho an’ny vahiny. Laharampamehana voalohany  ny fanovàna ny lalam-panorenana ka hisy ny fitsapan-kevi-bahoaka », hoy izy. Nilaza Mishah fa nampahantraina ny Malagasy. Ny fitiavan-tanindrazana no manosika azy hirotsaka ho fidiana.  » Anisany olana eto Madagasikara ny fisian’ny tsy maty manota, ny kolikoly  avo lenta. Vonona hanao vy very ny aiko aho hanavotana ny tanindrazako. Ho tombontsoan’ny  vahoaka Malagasy no jerena fa tsy tombontsoan’ny olombitsy », hoy izy. Ao anaty ny vinany ihany koa ny fanampiana tanora, ny vehivavy, ny tantsaha ary fiarovana amin’ny tontolo iainana.

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *