Archives mensuelles avril 2022


AMBATOVY : Mitohy ny fanampiana amin’ny lafiny ara-tsosialy


Olona marefo 259 monina ao Toamasina II no nampian’Ambatovy tamin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo vary makalioka roa taonina sy sasany niaraka tamin’ny savony, ny 14 sy 15 avrily 2022. Olona marefo 115 avy ao Vohitrambato izay tanàna namindrana ireo mponina nipetraka taloha teo amin’ny faritry ny Ozininy ao Toamasina no nomen’Ambatovy savony sy vary 10 kilao isan’olona, ny 14 avrily 2022. 35 tamin’izy ireo dia efa maherin’ny 60 taona ary 57 dia mpiasa an- tselika isan’andro izay nanadio ny lalana mihazo an’i Vohitrambato. Ny ampitson’io, ny 15 avrily 2022, dia olona marefo 144 mihoatra ny 60 taona monina manodidina ny faritra fanatobiana ambin’akoran’Ambatovy indray no nomen’ny orinasal vary 10 kilao isan’olona. Misanda 8,7 tapitrisa ariary ireo fanomezana nataon’Ambatovy ho fanohanana ny olona marefo ao Toamasina II ireo.

Ny 25 avrily 2022 kosa dia natolotra solosaina enina vaovao ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana (DRSPA) izay natokana ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny distrikan’i Toamasina (SDSPT). Izany fanomezana izany dia tafiditra amin’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sôsialy izay ataon’Ambatovy mba hanohanana ireo vondrompiarahamonina ao amin’ny faritra iasany. Nandray ireo solosaina ireo izay misanda 15 tapitrisa ariary mahery ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr. RAZAFIARISOA Marie Celestine Vavy.

Ataon’Ambatovy ho laharampahamehana ambony indrindra ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ireo mpiasa ao aminy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Aroloza sy ny Fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana, izay notanterahina ny 28 sy 29 avrily 2022 tao amin’ny Garan’i Soarano Ambatovy. Fotoana nahafahan’Ambatovy nizara tamin’ny daholobe ireo vaovao sy tsara ho fantatra momba ny asany ary indrindra ireo fepetra sy fenitra hentitra raisin’ny orinasa mba ho afaka hiasa lavitry ny loza ireo mpiasa ao aminy

Nangonin’i Ra-Nirina.


FIARAHAMONIM-PIRENENA : Velom-panantenana tamin’ny fakan-kevitra momba ny lalàn’ny tanin’olon-tsotra tsy vita titra


Matoky ny fiarahamonim-pirenena fa ho voahitsy amin’ny tombotsoan’ny malagasy ny lalàna N°2021-016 ny 28 Oktobra 2021. Mifanitsy amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tany mamelona ny 22 aprily  ny fanambarana nataon’izy ireo taorian’ny roa andro nakan-kevitra ny 20-21 aprily 2022 lasa teo momba io làlana tanin’olon-tsotra tsy vita titra io. Rehefa nohalalinina dia hita fa io lalàna io dia hanala amin’ny teratany malagasy, izay nampahantrana ny maro an’isa aminy, ny fahazoany misitraka ny tany mba hahafahana manome fahafaham-po ireo vahiny nahazo ny fizakana ny teratany malagasy na tsia. Eo ihany koa ireo olom-bitsy malagasy mpanefoefo amin’ny fividianana ny ankamaroan’ny tany tsara sy mamokatra eto Madagasikara. Nahatsapa ireo fitakiana maro nataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny ben’ny tanàna ny mpitondra Fanjakana ny amin’ny zava-doza mety ho aterak’io  lalàna  io  koa  nanasa  ny  solontenan’ny fiarahamonim-pirenena sy ny ben’ny tanàna mba hitondra ny heviny ny amin’ny hanitsiana io lalàna laharana 2021-016 izay mbola tsy nampiharina hatreto. Koa isaorana etoana ny amin’izany  sy ny fanisiana lanjany ny fifampiresahana ny raharaha mahakasika ny fiainan’ny vahoaka indrindra fa ireo tantsaha maro an’isa. Irarianay ny hitohizan’izao tsy amin’ny resaka fananantany ihany fa ny amin’ny sehatra rehetra.

« Tsy tokony averina ao anatin’ny fanitsiana ity lalàna laharana 2021-016 ity ireo fepetra izay manohitohina ireto lohahevitra ireto: ny fisitrahan’ny teratany Malagasy ny tanin’i Madagasikara, ny fanapariaham-pahefana ny fitantanana ny fananantany nomena ny Kaominina, ny foto-kevitra miompana amin’ny fiheverana fa tompon’ny tany ireo izay mipetraka amin’ny tany mbola tsy vita titra ». Tena ilain’ny fikambanan’ny tantsaha, fikambanan’ny vehivavy, sns., ny manana karatany iombonana eo amin’ny fiarahany mamokatra fa izay hita fa tsy tokony nomena araka ny lalàna 2006-031 no tokony hojerena izay hatao azy.

Ireto avy ireo andininy na ny ampahan’ny andininy izay tsy ekena ny mbola hiverenany ao anatin’ny fanitsiana io lalàna laharana 2021-016 io:

1/ Ny fisitrahan’ny teratany malagasy ny tanin’I Madagasikara: Andininy faha-2:

2-1) Foanana amin’ny ampahany ireo andalana izay mikendry hanafoana amin’ny fomba ankolaka ny satatanin’olon-tsotra

tsy vita titra sy mametra ho 15 taona ny fe-potoana nanaovana fanamaintisa-molaly. Ankoatr’izay, tsy nisy taratasy nanamarina ny fiantombohan’ny fipetrahan’ny olona ka tsy afahana mamantatra ny fe-potoana amin’ny fomba azo antoka. Marihana fa tsy mampiasa velively ny voambolana fanamaintisa-molaly (mise en valeur) ny lalàna lasitra laharana 2015- 019 fa kosa ny fipetrahana (Occupation). Ity lalàna ity dia tsy tokony hanome fe-potoana fa ny drafi-panajariana toy ny SAC no mamaritra izany; raha toa ka tsy manana izany ny kaominina dia ampiana izy hamolavola amin’ny fomba tsotra. 

2-2) Tokony ahitsy lay filazana hoe « ainsi qu’aux anciennes zones de pas géométriques lesquels demeure rattachés au domaine privé de l’Etat » satria efa nosoloin’ny lalàna laharana 2008-013 mifehy ny tanim-panjakana tsy azo amidy hoe tsorian-tany amoron-dranomasina na « bande littorale » ny « zone de pas géométriques » ary voasokajy ho tanim- panjakana tsy azo amidy izy io fa tsy tanim-panjakana azo amidy araka ny fomba filazan’ity andininy faha 2 ity.

 

« Article 2. – En application de l’article 33 de la Loi n° 2005-019 du 17 octobre 2005 fixant les principes régissant les statuts des terres, est propriété foncière privée non titrée au sens de la présente loi l’ensemble des terrains urbains comme ruraux :

– faisant l’objet d’une occupation au moins 15 années avant la promulgation de la présente loi, mais qui ne sont pas encore immatriculés ni cadastré au registre foncier ;

  • ne faisant partie ni du domaine public ni du domaine privé de l’Etat ou d’une Collectivité Décentralisée ou d’une personne morale du droit public ;
  • non situés sur une zone soumise à un statut particulier ;
  • appropriés selon les coutumes et les usages du lieu et du moment, appropriation, ainsi qu’aux anciennes zones de pas géométriques lesquels demeurent rattachés au domaine privé de l’Etat.

En aucun cas, une Commune ne peut faire valoir une quelconque présomption de propriété sur la propriété foncière privée non titrée. » 

–        Andininy faha 6:

6-1) Mila esorina ao ny voambolana mitaky fanamaintisamolaly (mise en valeur) satria tsy izay ny voambolana ampiasain’ny lalàna lasitra 2005-019 fa ny fipetrahana (Occupation),

6-2) Mila esorina ao ny fitakiana fe-potoana 15 taona amin’ny fanaovana fanamaintisamolaly mialohan’ny fampiharana ity lalàna ity satria tsy anjaran’ny lalàna ny fananantany no mamaritra ny fepetra rehetra ny fanajariana ny tany ary ny voambolana tokony ampiasaina araka ny voalaza etsy ambony dia ny fipetrahana (occupation) fa tsy ny fanamaintisamolaly (mise en valeur).

6-3) Ny drafi-panajariana toy ny SAC no tokony hamaritra ny fomba entina manajary ny tany sy ny fe-potoana ny

amin’izany.

« Article 6.- Conformément aux dispositions de l’article 33 de la Loi n° 2005-019 du 17 octobre 2005 fixant les principes généraux régissant les statuts des terres, pour être reconnues et admises dans le domaine de la propriété privée non titrée, l’occupation au sens de la présente loi doit se traduire par une mise en valeur paisible et une emprise personnelle ou collective évidente et permanente, selon les usages du lieu et du moment, et selon la vocation du terrain. En aucun cas, les terrains inexploités au moment de la procédure de reconnaissance locale ne seront considérés ni comme occupés ni comme mise en valeur. Les terrains pouvant faire l’objet de la procédure de certification foncière sont ceux effectivement occupés et suffisamment mis en valeur conformément à la nature du sol. Le délai de mise en valeur et d’occupation ne peut être inférieur à quinze (15) années avant la promulgation de la présente loi. » 

Andininy faha-10 : Foanana ilay fehezanteny ao amin’ny andalana voalohany mamerina ny andininy faha 2 sy ny faha 6 ny amin’ny fepetra fanamaintisa-molaly 15 taona.

« Article 10.- Le demandeur doit avoir la capacité juridique et être de nationalité malagasy. Il doit occuper le terrain dans les conditions fixées par les articles 2 et 6 de la présente loi ».

 

Andininy faha-14 : Foanana ilay fehezanteny ao amin’ny andalana voalohany tsipika faharoa mamerina ny andininy faha 2 sy ny faha 6 ny amin’ny fepetra fanamaintisa-molaly 15 taona.

« Article 14 – L’opération de reconnaissance, publique et contradictoire, consiste à: 2 […] – la constatation des droits d’occupation conformément

aux dispositions des articles 2 et 6 de la présente loi ».

  • Andininy faha 45 : Foanana manontolo ity andalana ity satria sady mametraka ny karatany ho tsy misy lanjany, amin’ny andaniny, no tsy mamela ny fikambanana hahazo porofo fizaka-manana, amin’ny ankilany, izay mifanipaka amin’ny andininy faha29 izay mamela ny fikambanana hanao

« Article 45 (nouveau)- Dans un délai de une (1) année à compter de la date de promulgation du décret d’application de la présente loi et sous condition des dispositions des articles 2 et 6 de la présente loi, toute parcelle certifiée sous l’empire du régime juridique de la Loi n°2006-031 au nom d’une  personne  morale  doit faire  l’objet d’une  procédure  de  transformation  en  titre  foncier suivant les modalités fixées par décret et conformément aux textes en vigueur sur le régime juridique de l’immatriculation et de la propriété foncière privée titrée. Au mépris des dispositions de l’alinéa précédent, les parcelles certifiées au nom d’une personne morale sous l’empire de la Loi n°2006-031 dont la mise en valeur n’est pas effective, cessent de produire effet et perdent toute force probante, lesquelles seront versées dans le domaine privé de l’Etat et accroissent le patrimoine de l’Etat ». 

2/ Ny fanapariaham-pahefana ny fitantanana ny fananantany nomena ny Kaominina:

  • Andininy faha 3 : foanana ny fehezanteny ao amin’ny andalana faha-04 milaza ny fepetra fanomezana alalana hisokatra ny birao ifoton’ny fananantany avy amin’ny sampandraharahan’ny fananantany satria tsy “sampandraharaham-pitsinjaram- pitondrana” ny  BIF fa  “ sampandraharaham-pitsinjaram-pahefana”.

Article 3.-La gestion de la propriété foncière privée non titrée est de la compétence de la Commune. A cet effet, celle-ci institue en son sein un service administratif spécifique appelé « Guichet Foncier » dont les modalités de fonctionnement sont fixées par Décret. La création et l’ouverture d’un Guichet Foncier sont effectuées par un Arrêté pris par le Chef de l’exécutif de la Commune. A peine de nullité, aucune procédure de reconnaissance de droits d’occupation ne peut être engagée par le Guichet Foncier avant la mise en place d’un Plan Local d’Occupation Foncière par la Collectivité concernée, lequel est validé par le service topographique territorialement compétent. Avant toute opérationnalisation du Guichet Foncier, un visa d’ouverture du Service Foncier en charge de l’appui dans la mise en œuvre de la gestion foncière décentralisée est requis ». 

–        Andininy faha 5:

5-1) Mila avoitra amin’ity andininy faha 5 ity ihany koa fa ny PLOF dia hanampy ny kaominina amin’ny fandrindrana ny andraikitra nomen’ny lalàna azy amin’ny fitantanana ny fananantany, ny fanajariana ny tany ary ny hetra-tany. Mila hahitsy ny fehezanteny izay tsy dia mazava loatra manao hoe mamaritra ireo fitaovana ho amin’ny fandrindrana ny fanajariana ny tany ;

5-2) Nesorina tato anatin’ity andininy ity ny fanindriana nataon’ny lalàna teo aloha (2006-031) fa andraikitry ny Kaominina no mametraka ny PLOF izay takian’ny andininy faha 03 amin’ity lalàna 2021-016 raha teo izany. « Article 5 : Le Plan Local d’Occupation Foncière est un outil d’information cartographique de base et de repérage numérique ; – délimitant chaque statut de terre avec un identifiant spécifique ; – – précisant les parcelles susceptibles de relever de la compétence du service administratif de la Commune ; – permettant de suivre l’évolution des situations domaniales et foncières des parcelles située sur le territoire de la Commune. – délimitant les outils de planification territoriale conformément aux règles prescrites selon les dispositions de l’article 31 de la loi n° 2015-051 du 3 février 2015 portant orientation de l’Aménagement  du Territoire.

Toutes les opérations ainsi que les mises à jour des informations doivent être retracées sur le Plan Local d’Occupation Foncière. Les demandes de certification foncière ainsi que celles d’immatriculation foncière doivent être figurées sur le Plan Local d’Occupation Foncière pour permettre la mise à jour des données ».

  • Andininy faha 8 : foanana manontolo ity andininy faha 8 ity satria loharano entina tsy hanajana ny “fizakan-tenam- pitantanana” nomena ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony, ny Kaominina

(Article 8 (nouveau) – les Services Fonciers mettent en œuvre toutes techniques, détaillées par voie règlementaire, permettant de vérifier le statut et la superficie du terrain, ainsi que l’effectivité de l’occupation de sol objet de demande de certification foncière à partir des informations disponibles et images cartographiques mises) à jour. 

  • Andininy faha 37 : ho fanajana ny foto-kevitry ny fitsinjaram-pahefana dia tsy tokony tsindriana ato fa ny sampandraharaham-panjakana ao anatin’ny fitsinjaram-pitondrana no mpanome

« Article 37 – Avant d’entrer en fonction au sein du Guichet Foncier, les responsables des Guichets Fonciers doivent avoir les formations

nécessaires en matière foncière, assurées par les Services fonciers déconcentrés et les Services de l’aménagement du territoire » 

  • Andininy faha 46 ka hatramin’ny faha 52: Mila foanana manontolo fa soloina amin’ny alalan’ny fanajana ny foto-kevitra mandala ny fanapariaham-pahefana sy ny sata-tanin’olontsotra tsy vita titra satria manery ankolaka hamadika ho tanim- panjakana ny tany efa fananan’olona amin’ny alalan’ny foto-kevitra amin’ny fiveheverana fa tompon’ny tany ireo olona efa mipetraka eo aminy.

Article 46 : Article 46 (nouveau)- Jusqu’à la mise en place des services administratifs des collectivités de base chargés de gérer les propriétés

foncières, les services déconcentrés de l’Etat assurent la sécurisation et la gestion des parcelles.

Article 47 : Article 47 (nouveau)- Toute personne souhaitant sécuriser un immeuble doit déposer une demande d’immatriculation auprès de la Circonscription Domaniale et Foncière, à laquelle sont annexées toutes pièces justificatives d’occupation, ainsi que le plan régulier ou un extrait du plan local d’occupation revêtu d’une mention de repérage préalable du service topographique. Il lui en est délivré récépissé. A cet effet, une procédurede reconnaissance locale est menée par une commission qui se compose comme suit : Président : – un agent du service des Domaines Membres : – un géomètre expert du service topographique ; – le Chef de l’Exécutif de la Collectivité de la situation de l’immeuble ou son représentant ; – le Chef de Fokontany de la situation de l’immeuble ou son représentant ; – deux Raiamandreny qui sont choisis sur une liste établie annuellement par le Chef de Fokontany sur proposition de l’assemblée générale du Fokonolona. La liste est publiée sur les placards de la Collectivité décentralisée de base ainsi que du ou des Fokontany concerné(s). Pour cette reconnaissance, la commission peut s’adjoindre toute personne qu’elle juge compétente. La commission se réunit sur convocation de son Président et à l’issue de l’opération, il est dressé un procès-verbal dans lequel sera consigné son avis. Le bornage de la parcelle demandée est effectué pendant la reconnaissance locale par le géomètre expert du service topographique membre de la commission de reconnaissance locale.

3/ Ny foto-kevitra mifahatra amin’ny fiheverena fa tompon’ny tany ireo izay mipetraka amin’ny tany mbola tsy vita titra

  • Andininy faha 21 : foanana tanteraka ireo fehezanteny rehetra izay mandika fa raha tsy manana karatany na titre ilay olona eo ambonin’ny « périmètre minier » dia tsy heverina fa tompony satria mifanohitra tanteraka amin’ny foto-kevitry ny sata-tanin’olontsotra tsy vita titra voalazan’ny lalàna lasitra laharana 2005-019.

Anjaran’ireo manana fahazoana alalàna itrandraka harena an-kibon’ny tany no manampy ny kaominina sy ny fitondram- panjakana hanao ny fanadihadiana sy fanisana ireo olona tompon’ny tany. Ary ny lalàna manan-kery dia manambara fa ekena ho tompontany ireo olona mipetraka amin’ny tany mbola tsy vita titra.

« Article 21 – Le titulaire du permis minier sur un périmètre minier situé dans une propriété foncière non titrée doit, avant la réalisation de toute activité se rapportant à des recherches ou exploitations minières autorisées par son permis minier, avoir obtenu l’accord écrit dûment légalisé du titulaire de Certificat foncier au sens du présent texte. L’occupant su sol alléguant un droit de propriété quelconque sur la surface concernée, pour justifier son droit, déclenche dans les meilleurs délais une procédure de régularisation de sa situation par l’obtention, à défaut de titre minier, d’un Certificat foncier conformément à la présente loi. Est considéré comme propriétaire du sol et jouissant des droits reconnus au propriétaire du sol prévus dans le Code minier, au même titre que le propriétaire foncier détenteur de Titre foncier, celui qui, au sens de la présente loi, a répondu aux critères de la propriété privée non titrée et a obtenu à cet effet le Certificat de propriété y afférent ».

  • Andininy faha 22 : Ny fanomezana porofo maha tompony dia andraikitry iraisan’ny Fanjakana foibe sy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, koa tsy tokony ho voasazy ny olom-pirenena raha toa ka tsy avy aminy no mahatonga ny tsy fananany porofo mba hangalany ny honitra amin’ny fanesorana azy eo amin’ny tany nohon’ny filam-bahoaka. Noho izany tokony manome vahaolana hafa ity lalàna ity toy ny fanaovana recensement parcellaire izay manome état parcellaire ary eken’ity lalàna ity ho porofo izany ho an’ireo tany mbola tsy misy Birao ifoton’ny fananantany (BIF) sy voakasiky ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany.

« Article 22 : Expropriation pour cause d’utilité publique et Propriété Foncière non titrée […] Pour les terrains non encore certifiés, les propriétaires occupants procèdent immédiatement à la régularisation par l’obtention, soit d’un Certificat foncier, soit d’un Titre foncier conformément à la présente loi si la Commune concernée ne dispose pas encore de Guichet Foncier. Une fois la régularisation effectuée, mention en est faite sur le document correspondant. Il appartient au propriétaire d’apporter la preuve de son droit de propriété afin de bénéficier de l’indemnité déjà versée dans le compte. Les documents relatifs aux terrains certifiés expropriés sont transmis dans les meilleurs délais par le Chef de l’exécutif de la Commune à la Circonscription Domaniale et Foncière pour leurs immatriculations d’office au nom de l’Etat Malagasy ».

Ra-Nirina


ADY TANY AO AMIN’NY LABANDY AO MAMPIKONY SY PORT BERGÉ : Miaina anaty fijaliana na ireo mponina mitsoaka any anaty ala na ireo mijanona an-tànana


Mizara roa ny fokonolona ao amin’ny fokontany folo (10)  ao Mampikony sy Port Bergé faritra Sofia noho ny ady tany izay mitondra ny anarana hoe  « Lot de colonisation Port Bergé, lot 41 »  mirefy 3000 hektara. Ny ankilany miaraka amin’ny Cotona Real Estate milaza ho tompon’ny tany  ary ny andaniny miady ny tany satria efa nanajary an-taonany maro. Lasa mitsoaka any anaty ala ny vatan-dehilahy nanajary ny lemak’ i «Labandy»  noho ny fanenjehana azy ireo. Niharan’ny fandrahonana, vono, fandrobana fananana ireo mijanona ao an-tanana. Nopotehin’ ny traktera ampolony nalefan’ny milaza tompon’ny tany ny  voly vary.

Toy ny any amin’ny tany miady. Zaza amam-behivavy sy beantitra sisa no mijanona ao an-tànana  ary lasa any anaty ala kosa ireo lehilahy matanjaka vokatry ny ady tany misy eo amin’ny fokonolona nanajary ny tany sy ny orinasa Cotona Real Estate milaza fa tompon’ny «Labandy»  ao Mampikony sy Port Bergé. Continuer la lecture