Miteraka fandripahana ala sy aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy ny fampiasana kitay sy saribao. Continuer la lecture
Archives mensuelles février 2026
« RENCONTRES DU SECTEUR PRIVE SUD » : Mpandraharaha an-jatony hihaona ao Fort-Dauphin
« Maro ny tanora manana hevitra tsara kanefa tsy ampy tohana », hoy i Lala Disaine, Tale misahana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Continuer la lecture
Manohana ny BNGRC ny Orange Madagascar ary manampy ireo traboina
Antananarivo – Manamafy hatrany ny fiaraha-miasany amin’ny Fanjakana malagasy ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fanohanana ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindon-doza (BNGRC), miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampandrosoana ny Haitao Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), izay ministera mpiahy. Continuer la lecture
SAINT VALENTIN :Baolai gate les amoureux
En cette période de l’ année, nombreux sont ceux qui veulent rénover leur intérieur ou offrir un beau présent à leur proche. Continuer la lecture
FIM 2026: Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo orinasa te handray anjara
Anisany mampiroborobo ny orinasa na tetikasa ny hetsika ara-ekonomika toy ny Foire Internationale de Madagascar (FIM). Continuer la lecture
MAISON DIGITALE AO AMBOHIDEHILAHY : Vehivavy maro mahazo fahaiza-manao nomerika sy fanohanana maharitra
Nahazo aina vaovao ny Maison Digitale ho an’ny vehivavy ao Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, noho ny fanohanan’i Orange Solidarité Madagascar tamin’ny alalan’ny namatsiany vola ho fanarenana ny trano sy ny fametrahana fitaovana hamatsina herinaratra avy amin’ny masoandro. Tanjon’ity ivon-toerana ity ny hanohanana ny vehivavy ahaleon-tena amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fahaiza-manao nomerika.
Nanomboka ny taona 2019, ity tetikasa iarahan’ny Soroptimist Club Mandrosoa sy Orange Solidarité Madagascar ity dia nanome fiofanana mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny vehivavy, ahitana ny fidirana amin’ny nomerika toy ny fampiasana tablette sy ny famolavolana ahafehy ny fitantanana.
Ny 28 janoary 2026, nandritra ny lanonana fandraisana ny asa vita, dia vehivavy 11 no nahazo mari-pahaizana, teo anatrehan’ny tale lefitry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina Analamanga. Fahaiza-manao mivaingana, afaka ampiasaina eo noho eo amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fandraharahana, no noraisina nandritra ny fiofanana.
Efa nahitana vokatra mivaingana ny fandaharan’asa, satria vehivavy telo efa niofana tao no nahazo loka “Coup de cœur au féminin” avy amin’ny Fondation Orange, ka nahafahan’izy ireo nanangana sy nampivelatra tetikasa fivelomana. Anisan’izany i Ramatoa Miora, izay nanangana fivarotana kely hivelomany.
Araka ny fanazavan’i Benja Arson, Filohan’i Orange Solidarité Madagascar, manan-danja lehibe amin’ny fampandrosoana ny vehivavy manana fahaiza-manao nomerika sy ny fahaleovantena ara-bola. Hatramin’izao, efa ho vehivavy zato, mizara ho andiany enina, no efa nisitraka ny fiofanana tao Ambohidehilahy.
Ankoatra izany, nizara kilalao ho an’ny ankizy ao amin’ny crèche eo an-toerana i Orange Solidarité Madagascar, ary nitsidika ny toby fitsaboana natsangan’ny Soroptimist Club Mandrosoa.
Manerana an’i Madagasikara, Maison Digitale miisa 45, miparitaka amin’ny faritra 14, no efa manohana vehivavy sy tovovavy an’arivony ho amin’ny fahaleovantena sy ny fahombiazana, noho ny hetsika entin’i Orange Solidarité Madagascar.
Ra-Nirina







