Archives mensuelles septembre 2016


DFP: Voatery nahemotra ny dinika.


Anterivava : Maharavo RATOLOJANAHARY.

Nosamborina ny namanay mpitarika ny Vona Soamahamanina, niaraha-nahita ny fandrarana akitsirano ny fivoriana nokarakarain’ny MMF, mahazo fandrahonana avokoa ireo rehetra mikarakara ny dinika. Etsy ankilany, tsy ilaozany ny mpikarama an’ady rehefa vory vahoaka, betsaka ny karamaina hanakorontana fotsiny ka mifototra any amin’ny mpitarika ny rihitra avy eo. Continuer la lecture


ALEO … AVALONA


Tsy ny fitiavanao no laviko,

fa ny hoavinao sy ny hoaviko

no efa nizara roa.

 

Samy sarotra zakaina

na ilay fo mibaiko saina

na ilay saina hibaiko fo.

 

Fa raha tsy maintsy hosafidiana

dia aleo ny foko hangina,

aleo ny fo hampandeferina.

 

Ny fonao koa mba toneo…

… Malahelo aho, saingy, aleo

hody irery aho f’àza aterina.

 

Hely Ony, 2016-09-07, 12:37

 

273178_245573785466336_1496138_o