Miverina ny fiarahamiasa eo amin’ny Malagasy Rugby sy ny Startimes. Handeha ao amin’ny Gasystar manomboka amin’ny 29 novambra 2026 ka hatramin’ny volana mey 2027 ny lalao fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara XXL Rugby Top 12. Miisa 96 ny lalao kasaina halefa mandritra ny taom-pilalaovana 2026-2027. Ny Startimes irery no handefa izany. Isaky ny Alahady no handefasana ireo lalao, ka lalao iray no ho hita mivantana ary roa hafa kosa halefa amin’ny fotoana manaraka. Ho tantaraina amin’ny teny Malagasy izany.
« Tanjona ny hanohanana ireo taranja ankafizin’ny Malagasy sy hanamora ny fahazoan’ny olona maro kokoa fahitalavitra nomerika tsara kalitao. Mino izahay fa manana hery hampiray ny olona ny fanatanjahantena sy ny fialamboly », hoy i Florence Zhou, talen’ny varotra ao amin’ny Startimes, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, ny zoma 13 novambra 2026, teny Andranobevava.
Manatevin-daharana ny fandefasana ireo lalao ara-panatanjahantena eto an-toerana toy ny Pureplay Football League (PFL), ary ireo lalao amin’ny baolina kitra iraisam-pirenena ity fiarahamiasa amin’ny Malagasy Rugby ity. Nambaran’ i Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby fa manampy otsikaity taranja baolina lavalava. « Mety hisy ihany koa ny fampitana lalao iraisam-pirenena, arakaraka ny fandaharam-potoanan’ireo fifaninanana », hoy izy.
Nanamafy i Haja Randria, tomponandraikitry ny votoaty ao amin’ny StarTimes, fa entina hanandratana ny rugby eto Madagasikara no anton’izao fiarahamiasa izao. « Anisan’ireo taranja ara-panatanjahantena be mpanaraka indrindra eto Madagasikara ny rugby, araka ny fanadihadiana nataonay », hoy izy.
Ankoatra ny lalao rugby, hisy ihany koa ny hetsika ho an’ireo mpankafy sy mpanjifa. Anisan’izany ny fihaonana telo eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, kasaina hatao amin’ny Desambra 2026, Martsa ary Jona 2027. Eo ihany koa ny fahafahan’ireo mpankafy mihaona mivantana amin’ireo mpilalao.
Tolotra manokana ho an’ny fetin’ny Noely
Miaraka amin’ireo fandaharana ara-panatanjahantena ireo, misy ihany koa ny tolotra manokana atolotry ny StarTimes amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Manomboka ny 15 Novambra 2026 ka hatramin’ny 15 Janoary 2027 ny faharetan’ny Promotion Noël.
Ho an’ireo mampiasa ny bouquet BASIC na SMART, raha manampy 10 000 ariary amin’ny saram-pamerenana famandrihana izy ireo dia afaka mijery ireo fandaharana amin’ny bouquet ambony mandritra ny iray volana.
Afaka misitraka ny bouquet CLASSIC na SUPER mandritra ny roa volana ihany koa ireo mpanjifa BASIC na SMART raha manao réabonnement roa volana.
ho an’ireo efa mampiasa ny fonosana CLASSIC na SUPER kosa, dia mahazo andro folo fanampiny maimaim-poana izay manao famerenana famandrihana mandritra ny roa volana, araka ny fanazavan’i Randrianarivony Nantenaina, tomponandraikitry ny serasera ao Startimes hatrany. Tafiditra ao anatin’ny tolotra ihany koa ny bouquet NOVA.
Ra-Nirina



