Atrikasa roa miompana amin’ny fampiasana ny fahaiza-manao nomerika ho lasa tetikasa sy fandraharahana ary famolavolana « prototype » no nokarakarain’ny Orange Digital Center (ODC) tao Fianarantsoa, ny 21 aogositra 2026. Natao tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ity hetsika ity, andro vitsivitsy taorian’ny fankalazana nasionaly ny 12 sy 13 Aogositra, izay nampivondrona tanora maherin’ny 5 000 avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Orange Solidarité Madagascar no nanatanterahana ny hetsika.
« Avy amin’ny hevitra mankany amin’ny prototype : alaivo sary an-tsaina, mamoròna, andramo ! » no lohahevitr’ilay atrikasa voalohany, notarihin’ny FabLab Solidaire Hay Tao.
Nampianarina ireo tanora ny dingana arahina rehefa mamadika hevitra iray ho zavatra azo tsapain-tanana : mamolavola ny hevitra, manamboatra prototype, mitsapa azy ary manitsy izany raha ilaina. Nifototra tamin’ny fampiharana ny atrikasa, ka afaka niasa mivantana tamin’ny hevitra novolavolainy ireo mpandray anjara.
Ny atrikasa faharoa, « Avy amin’ny kaody mankany amin’ny fandraharahana : avadiho ho fahafahana ny fahaiza-manaonao », kosa dia notarihin’ny École du Code.
Nifantoka tamin’ny fomba ahafahan’ny tanora mampiasa ny fahaiza-manao nomerika azony mba hamahana olana na hamaliana filàna iray izany. Nohazavaina ihany koa ny fomba ahafahan’ny hevitra iray mivoatra ho tetikasa ary, amin’ny tranga sasany, ho asa fandraharahana.
Fahaiza-manao nomerika manoloana ny tsy fananan’asa
Latsaky ny 35 taona ny 70 % amin’ny mponina eto Madagasikara. Araka ny angon-drakitra navoakan’ny Afrobaromètre tamin’ny 2025, 42 % amin’ireo tanora nanaovana fanadihadiana no nilaza fa tsy manana asa, raha 63 % kosa no naneho fahalianana amin’ny fandraharahana.
Eto Fianarantsoa, efa misy hetsika hafa mifantoka amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao teknika sy nomerika. Nandritra ny Tsenaben’ny Tanora, ohatra, ny FabLab Solidaire Hay Tao dia nampiseho ny asa nataony momba ny fanodinana ny biomasse. Nampahafantatra ny traikefan’ireo tovovavy nahazo fiofanana momba ny fahaiza-manao nomerika kosa ny Maison Digitale Ndao Hifanosika.
« Maharitra ny fanoloran-tenanay ho an’ny tanora. Amin’ny alalan’ireo sehatra napetrakay dia tianay ny hanomezana toerana ahafahan’ny tanora mianatra, manao fanandramana ary mamadika ny heviny ho lasa tetikasa, mba hanampiana azy ireo ho mpandray anjara amin’ny famoronana zava-baovao sy ny fandraharahana. », hoy i Andrianalison Lalaina Nomentsoa, tale misahana ny Orange Digital Center Madagascar.
Amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny toerana natokana ho an’ny fanandramana, mikendry ny hampifandray ny fahazoana fahaiza-manao nomerika amin’ny famolavolana tetikasa sy ny fandraharahana ny hetsika tahak’izao, araka ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Ho an’ireo tanora nandray anjara, fitaovana iray ahafahana mamaly ny filàn’ny tsenan’asa sy mamolavola asa fivelomana ny fahaiza-manao nomerika.
Ra-Nirina



