Amin’izao vanim-potoanan’ny fetin’ny Noely izao, fomba fanaon’ny ViMa Woods, sehatra iray ao amin’ny orinasa « Vision Madagascar » na ViMa ny manolotra hazo noely ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA). Continuer la lecture
Archives mensuelles décembre 2017
TSENA AN’IVATO : Atao manara-penitra
« Hatomboka amin’ny volana janoary ny tsenan’ny kaominina Ivato ». Nohamafisin’ny Praiministra nandritra ny fiarahana misakafo maraina mpanao gazety ny 28 desambra 2017, teny DLC Anosy, hatao manara-penitra io tsena io. Continuer la lecture
FONDATION ORANGE : Renim-pianakaviana sembana nahazo 4000 euros.
Nandrombaka ny « Coup de Cœur ô Féminin 2017 » Rasoa. Vehivavy 15 mipetraka any Frantsa, Cameroun, Côte d’Ivoire sy avy eto Madagasikara samy nahazo « bourse » ka anisany voafidy tamin’izany Rasoa, renim-pianakaviana miaina ao anatin’ny fahasembanana, mipetraka any Antsohihy. Fanampiana ara-bola mitentina 4000 Euros no azony. Continuer la lecture
GEM : Manatsara ny toekarena ny fihainoana feon’ny mpandraharaha.
Ivon’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara ny vidim-bary sy ny angovo. Nisy ny fihaonan’ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) ny 19 desambra 2017, teny Antaninarenina. Continuer la lecture
ASSOCIATION DEVOIR ET CITOYEN « Tsy mampandroso firenena ny orinasa afaka haba »
Mitaona ny olona ho tomponandraikitra ny « Association devoir et Citoyen » ADC. Tsy hiandry ny fitondram-panjakana na ny mpanao politika vao afaka mandray andraikitra ny olom-pirenena tsirairay avy. Continuer la lecture
GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Tolotra maro samihafa natokana ho an’ny fety.
Trano heva 380 mivarotra ireo karazana entana ilaina amin’izao an-katoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahatena Mahamasina. “Mitsinjara sehatra 40 ireo trano heva ireo. Continuer la lecture
KAOMININA IVATO: Niditra tamin’ny kitapom-bola ny 70 % ny teti-bola 2017.
800.000 Ariary ka hatramin’ny 1.500.000 Ariary isan’andro ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina Ivato. Ankoatra ny fampandehanan-draharaha an’ny kaominina amin’ny ankapobeny toy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, fividianana fitaovana ilaina eny amin’ny biraon’ny kaominina, miverina amin’ny vahoaka ny vola naloany. Continuer la lecture
KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHEREZA : Hisitraka famatsian-jiro.
Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra Schneider Electric sy ny orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, Continuer la lecture
TIM IVATO: “Hisintona ny olona avy any ivelany”.
Tonga nanotrona ny fitsangatsanganan’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny kaominina Ivato ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Hentitra ny teniny nandritra ny kabary nataony. Continuer la lecture
GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.
Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny lahatsoratra miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny seha-panjakana isan-tsokajiny ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture