Catégorie Web doc


BEMANEVIKA: Filamatra ho an’ireo faritra arovana hafa


Nihena ny doro tanety, tsy nisy intsony ny fanapahana ala tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra arovana Bemanevika. Resy lahatra ny mponina fa mitondra vokatsoa eo amin’ny fiainana andavanandro ny atiala. Efa migoaka ny tombontsoa amin’ny fiarovana izany izy ireo amin’izao fotoana izao.

Eugène sy ny mpiaramiasa aminy Teknisiana mpikaroka ao amin’ny TPF

Eugène sy ny mpiaramiasa aminy Teknisiana mpikaroka ao amin’ny TPF

Onjy na Fuligule de Madagascar na Aythya innotata

Onjy na Fuligule de Madagascar na Aythya innotata

Sangany amin’ny fiarovana ny atiala. Indreo misy  « Onjy » andiany maromaro mivezivezy ery amoron’ny farihy Matsaborimena. Ety am-pita, eo amin’ny trano hazo, mijery azy ireo amin’ny masolavitra i Eugène, ny teknisianina mpikaroka avy ao amin’ny The Peregrine Found ( TPF ). Continuer la lecture


TETIKASA GeneRice : Fikarohana ara-tsiansa sy ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina sy eo am-pizahana marimaritra iraisana


Raha hadika avy amin’ny teny anglisy ny lohatenin’ny tetikasa hoe GeneRice dia hoe : Famoronanana sy fanapariahana karazam-bary nohatsaraina niainga tamin’ny fanontana ny andiana zena  ao aminy mba hahafahany mitrandraka misimisy kokoa ny singa azota (toetra tsy hita maso ary sarotra faritana). Continuer la lecture


FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Tsy rototra ny Malagasy


« Efa loza mihatra amin’izao tontolo izao ity fiovan’ny toetr’andro ity. Tsy rototra mba tsy ilazana fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ankamaroan’ny  Malagasy. Ny tantsaha mivelona eny ambanivohitra no tena voa mafy satria miankina amin’ny toetry ny andro ny fambolena sy fiompiana ataony. Ny fanjakana etsy an-daniny tsy maha voafehy ny olan’ny  doro tanety sy ny doro ala. » Continuer la lecture


KAOMININA IVATO: Niditra tamin’ny kitapom-bola ny 70 % ny teti-bola 2017.


800.000 Ariary ka hatramin’ny 1.500.000 Ariary  isan’andro ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina Ivato. Ankoatra ny fampandehanan-draharaha an’ny kaominina amin’ny ankapobeny toy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, fividianana fitaovana ilaina eny amin’ny biraon’ny kaominina, miverina amin’ny vahoaka ny vola naloany. Continuer la lecture