Socio-eco

HETSIKA FOTSY : Fanairana ataon’ny olom-pirenena tsy manaiky ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna


Hetsika fanehoana hevitra sy hilazana ny tsy fifaliana. Betsaka ny te haneho hevitra fa tsy sahy satria  matahotra famoretana na tondro molotra, mitady fivelomana isan’andro, tsy te hidina an-dalambe, tsy mahatoky ny mpitarika…Ity hetsika « Hetsika Fotsy » ity kosa dia hetsiky ny olom-pirenena mahatsapa ireo zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, toy ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany, fisiany kolikoly mihoampampana, ny sosialin’ny vahoaka izay mitotongana, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, ampihimamba eo amin’ny seha-pihariana, fahatapahan-jiro sy rano, tsy fahafahana maneho hevitra, ny fako eran’ny tanàna, mihafihafy ny malagasy manoloana ny vahiny, fahapotehan’ireo orinasa filamatra teo aloha (Jirama, Air Madagascar, Secren…), fahasimban’ny sekoly sy ny fampianarana, fanomanana ny fifidianana mampiahiahy…Hetsika am-pilamina sy ampitoniana ity hetsiky ny olom-pirenena ity satria amin’ny marika « fotsy » toy ny akanjo fotsy, satroka fotsy… no hanehoana ny hevitra sy tsy fifaliana. Tsy mitangorona, tsy milahatra, tsy mitabataba. Ny 5 ka hatramin’ny 7 Oktobra 2023 no hanatanterahana ny hetsika. Fiaraha-mientan’ny rehetra eraky i Madagasikara no atao ary tsy hanelingelina ny fanatanterahana izany satria manohy ny fiainany an-davanandro ny olon-drehetra. Fotoana hanehoan-kevitra sy fanehoan-kery ataon’ireo be sy ny maro tsy miteny (majorité silencieuse), fampitandremana ho an’ireo mpitondra ankehitriny sy izay hitondra amin’ny ho avy ary ho an’ny mpanao politika miheritreritra ny hitondra, hiteraka fanantenana sy fandrisihana ho amin’ny fifidianana madio sy mangarahara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *