politique

VONDROM-PIRENENA MPANELANELANA (GNM) : Hitady vahaolana amin’ny krizy ankehitriny ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena


 Tafatsangana ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na Groupe National de Médiation (GNM). Tomponandraiki-panjakana toy ny Praiminisitra sy Ministra teo aloha, Filohan’ny Vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) teo aloha, Jeneraly misotro ronono no mpikambana ao anatiny. Mitarika ny GNM i Rakotomanana Hery, Filohan’ny CENI teo aloha. Mpikambana ao anaty vondrona ihany koa i Kolo Roger , Praiminisitra teo aloha sy  Andriamahefarivo Johnny, minisitry ny fitsarana teo aloha. Nanao fanambarana ny GNM ny 07 novambra 2023 teny Antsakaviro manoloana ny toe-draharaham-pirenena. « Eo anatrehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena dia mijoro ny Vondrom-pirenena mpanelanelana. Hikaondoha hijery vahaolana miaraka amin’ny hery velona rehetra izahay », hoy i Rakotomanana Hery, Filohan’ny GNM. Nambarany fa ho fametrahana filaminana eto amin’ny firenena no antony ijoroan’izy ireo. Misokatra ho an’ny hery velona rehetra ny vondrona ary misokatra ny adihevitra ho an’ny tombontsoa ambony ny firenena.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *