Nanatanteraka hetsika fampandriana fahalemana ny faritra Sofia, indrindra ny distrikan’Antsohihy manoloana asan-dahalo sy halatr’omby ny vondrontobimpileovan’ny zandarimaria Sofia miaraka amin’ny vatan-dehilahy miisa 500 ny herinandro lasa teo. Omby 300 no tratra tao amin’ny kijana fanefanana omby maloto tao Betomendry. Continuer la lecture
Archives mensuelles octobre 2024
LES TÉLÉS JEYOO SONT EN PROMOTION CHEZ BAOLAI
Ce dixième mois de l’année, promet d’être joyeux avec les nouvelles offres dans le domaine de l’électroménager. A l’instar de société « Baolai » sise à Analakely, Soarano et Bazar Be Toamasina, fidèle à sa renommée, elle est toujours à la pointe de la technologie. Continuer la lecture
VEHIVAVY TANTSAHA: Mitaky amin’ny fitondram-panjakana hanamora ny fahazoana tany, hamatsy fitaovam-pamokarana sy hampitombo ny fotodrafitrasa mamaly ny filàn’ny mpamokatra
Ankalazaina isaky ny 15 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha (JIFR) . Nanao fanambarana ireo vehivavy tantsaha sy fikambanana samihafa avy amin’ny faritra valo eto Madagasikara (Analamanga, Itasy, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe, Diana), nandritra ny fankalazana izany teny amin’ny kaominina Talatavolonondry. Haitaky ataon’ireo vevihavy tantsaha amin’ny fitondram-panjakana ny hametrahana politikam-pirenena mazava, mampandray anjara ny rehetra, iombonana ary mangarahara, momba ny tontolo ambanivohitra, amin’ny lafiny fampandrosoana ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra, miompana bebe kokoa amin’ny vehivavy tantsaha. Mitaky ny fametrahana sehatra ifampiresahana sy iifanankalozan-kevitra eo amin’ny sehatra nasionaly sy/na isam-paritra, hampivondronana ireo mpisehatra rehetra manodidina ny vehivavy tantsaha malagasy ihany koa ireo vehivavy tantsaha. Ao anatin’ny fitakiana ataon’izy ireo ihany koa ny fanamorana ny fahazoan’izy ireo tany sy ny fiarovana ny zo fananantan’izy ireo, ny famatsiana fitaovam-pamokarana mifanaraka amin’ny filàn’ny ny tontolo ambanivohitra sy mifanaraka amin’ny toetanin’ny tsirairay, ny fametrahana politikam-piantohana sy fiahiana ara-tsosialy manokana ho azy ireo. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hametraka sy hampitombo ny fotodrafitrasa maharitra, mamaly ny tena filàn’ny mpamokatra, indrindra ny vehivavy tantsaha, anisan’izany ny tohandrano sy tobin-drano ary hampahafantatra ny fomba famokarana mifanaraka sy mety eny amin’ny faritra tsirairay manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Manaitra ny fitondram-panjakana eny ifotony ny vehivavy tantsaha mba hampiroborobo sy hanapariaka ary hanangana toeram-pivarotana manokana, toy ny tsena maitso, ho an’ny vokatra fambolena azo avy amin’ny fomba maharitra sady miaro ny tontolo iainana.
Tolona ho an’ny teknikam-pambolena maharitra
Anisany tolona ataon’ny fikambanan’ny vehivavy tantsaha eto Madagasikara (FARM) ny fametrahana politikam-pamokarana biolojika, natoraly. « Efa mampihatra ny famokarana agroécologie sy mivoy ary manentana ny olona tsy ampiasana ny zezika simika ny fikambanana. Efa mirona kokoa ny vehivavy tantsaha hitaky amin’ny fitondram-panjakana fa tokony ho jerena manokana izay politikam-pamokarana izay satria ry zareo tsy mbola mametraka an’izay famokarana biolojika fa mbola manome vahana ny famokarana simika. Aorina eto amintsika ny orinasa mamokatra zezika simika, etsy ankilany ny famokarana ara-boanjanahary. Anisany tolona iandraketanay ary takian’ny vehivavy tantsaha izay », hoy i Ravoniarisoa Hantanirina Lilia, Filoha nasionalin’ny FARM. « Vehivavy mpamokatra, fanoitra ho an’ny fampandrosoana » ny lohahevitra nentina nankalazana ny JIFR 2024 teto Analamanga. Ny fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana (DRAE) Analamanga sy ireo mpiara-miombon’antoka mpisehatra amin’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no nikarakara izany teny Talatavolonondry. Entina ampahafantarana ny anjara asan’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny hetsika. Trano heva am-polony no nampiranty ireo tetikasa manampy ny vehivavy tantsaha, nampahafantatra ny teknikam-pambolena maharitra na » agroécologie ».
Nisy ihany koa ny fizarana fitaovana sy tohan ho an’ireo vevihavy tantsaha, toy ny fizarana fitaovana hanamaivanana ny asan’ny vehivavy tantsaha (borosikileta na borety hitaomana rano hanondrahana voly na hitaomana vary na zezika), fizarana zanakisoa sy sakafom-biby. Nandray anjara tamin’ny hetsika ny FARM ka varotra fampirantiana ireo vokatra vokarin’ny vehivavy mpikambana avy amin’ireo faritra 12 iasany eto Madagasikara no natao tamin’izany. Nozaraina tamin’io fotoana io ihany koa ny « presse à charbon » ho an’ny fikambanana FARM isaky faritra. Fitaovana hamokarana saribao ekolojika na saribao vita avy amin’ny fako izy ho fanampiana fidiram-bola ny mpikambana sy fandraisan’ anjaran’ny fikambanana amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Lynda A.
TSY FAHASALAMAN’NY SAINA : Tsy fantatry ny malagasy ny fisiany
Lavitry ny kitay ny afo raha ny fahasalaman’ny saina no resahina. 10 Oktobra ny andro manerantany ho an’ny fahasalaman’ny saina. Continuer la lecture
FIKAMBANA AVOTANTSIKA SABOTSY NAMEHANA (ASN): Efa avotra ny kaominin’i Sabotsy Namehana ka ilaina tohizana ny zava-bitan’ny teo aloha
Efa 17 taona no naha mpanolo-tsain’ny tananan’ny Sabotsy Namehana i RAKOTOMALALA Jérôme Raphael. Niara niasa nivantana tamin’ny bèn’ny tanana Andriamosa Avotraina izay lasa solombavambahoaka ankehitriny izy. Continuer la lecture
ANDRO IRAY TSY MISY FANDOTOANA : Nadio ny rivotra nanaovana ny hetsika
Rehefa volana oktobra, novambra, desambra dia maloto ny rivotra eto Antananarivo noho ny fandorana biriky, ny doro-tanety ary indrindra ny setroka avoakan’ny fiara, ny môto. Continuer la lecture
COP : Tsy firenena mitaraina intsony fa firenena mitondra vahaolana i Madagasikara.
Notanterahana ny 03 Oktobra 2024 tetsy Anosy ny fakan-kevitra fahadimy momba ny fiomanana nasionaly amin’ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny Fiarovana ny zavaboahary, ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny firosoan-ko tany hay na koa hoe « fifanarahana iraisam-pirenena telon’i Rio ». Continuer la lecture
FANANANTANY: “Hivoaka ato ho ato ny lalàna momba ny fiarovana ny zo fananantanim-pokonolona”
Tandindomin-doza ny fananantanim-pokonolona eto Madagasikara noho ny tsy fisian’ny lalàna miaro azy. Continuer la lecture
TSIAZOMPANIRY : Misy olona milaza ho tompony ny ampahany tany amin’ny faritra arovana tantan’ny VOI
Nosazian’ny fitsarana ambony Antananarivo tamin’ny didy nivoaka ny 17 Aogositra 2022 mandroaka an’ny Fikambanana TSARAFARA, ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) mitantana ny ala eny TSiazompaniry sy handoha honitra 10.000.000 ariary ho an’ny olon-tokana izay milaza fa tompon’ny ampahan-tany 30 ha. Continuer la lecture
COOPERATIVA AGRO-BUSINESS MADAGASCAR: Hifanohana ny mpadraharaha malagasy
Mamporisika ny tanora handraharaha. Fanondranana ihany ny vahaolana amin’ny fanarenana ny fitonganan’ny vola malagasy, hoy Ny Rado Rafalimanana, filohan’ny ONG Ny FMO ( Ny Fanahy Maha-Olona). Continuer la lecture