Ny 11 desambra 2024 no daty voatondro hanaovana ny fifidianana kaominaly sy ny monisipaly. Continuer la lecture
Catégorie politique
KMF/CNOE FANABEAZANA OLOM-PIRENENA: Mitaky ny hanitsiana ny lalam-panorenana sy fanatsarana ny lalam-pifidianana
“Tonga izao no fotoana hanaovana fanatsarana ny rafi-pifidianana na “système électoral” malagasy mba hanamafisana kokoa ny fahefan’ny olom-pirenena”, hoy ny fanambarana nataon’ny KMF/CNOE – Fanabeazana olom-pirenena, ny 20 jona 2024, teny Antanimena. Continuer la lecture
MPANOHANA NY KANDIDA RAZANAMAHASOA CHRISTINE : Mitaky ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida IRMAR
Be dia be loatra ny fandikan-dalàna nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, araka ny fanambaran’i Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, mpanohana an’i Razanamahasoa Christine, kandida tao amin’ny disitrikan’Ambatofinandrahana. Continuer la lecture
FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Marobe ny tsy fanarahan-dalàna ka hametraka fitoriana ny Kolonely Ramboasalama Emilien
Hiady hatramin’ny farany. Nanao fanambarana i Kolonely Ramboasalama Emilien, kandida laharana faha-5 tao amin’ny boriborintany fahaefatra fa ny tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahatomombanana hita nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, ny 29 mey 2024. Continuer la lecture
KMF/CNOE: Manentana ny olom-pirenena hifidy izay solombavambahoaka sahy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka
Ho tanterahana ny 29 mey 2024 ny fifidianana solombavambahoaka. Andro vitsy mialoha izany dia nampita ny tatitra nataon’ireo mpikambana nandritra ny fanarahamaso nataon’izy ireo tamin’ny distrika 110 ny birao nasionaly. Continuer la lecture
PAOLO RAHOLINARIVO – KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Hanolotra tolo-dalàna tena mahavoavaha ny olan’ny vahoaka Malagasy
Ao anatin’ny asan’ny solombavambahoaka ny fanolorana tolo-dalàna mifanaraka ny zava-misy eny ifotony. Continuer la lecture
GNM LASA GNMR: Tsy mijanona ho mpanelanelana ihany fa hamokatra tolonkevitra mahasoa ny firenena
« Tsy misy firenena mandroso ao anatin’ny korontana fa ny filaminana ihany no miantoka fihatsaran’ny fiainan’ny vahoaka », hoy i Rakotomanana Hery, Filohan’ny Groupe National de Médiation (GNM), ny talata 19 desambra 2023 teny Ankadivato. Continuer la lecture
KMF/ CNOE: « Lalana roa no azo hivoahana hananan’ny fanjakana hijoro eo « légitimité », na hifampidinika na hanao herisetra »
Fifampidinihan’ny herivelona rehetra hialàna amin’ny korontana na fampiasana herisetra. Nanao fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena, ny 21 novambra 2023 momba ny zotram-pifidianana fa “tsy ampy sady tsy tsara kalitao ny fampiofanana an’ireo mpikambana biraom-pifidianana ka nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fitantanana ny birao fandatsaham-bato izany”. Continuer la lecture
GNM: Firesahana an-databatra boribory no vahaolana amin’ny krizy miverimberina
Nandefa taratasy tany amin’ireo kandida ho Filoham-pirenena ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana (GNM), ny 10 Novambra 2023 mba hijerena vahaolana maharitra sy tsy hiverimberenan’ny krizy eto Madagasikara. Continuer la lecture
VONDROM-PIRENENA MPANELANELANA (GNM) : Hitady vahaolana amin’ny krizy ankehitriny ireo olona nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena
Tafatsangana ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na Groupe National de Médiation (GNM). Tomponandraiki-panjakana toy ny Praiminisitra sy Ministra teo aloha, Filohan’ny Vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) teo aloha, Jeneraly misotro ronono no mpikambana ao anatiny. Mitarika ny GNM i Rakotomanana Hery, Filohan’ny CENI teo aloha. Continuer la lecture