Naterin’ny vahoaka teny amin’ny biraon’ny kaominina ny Ben’ny tanàna vaovao an’i Ivato Aéroport, Randrianarisoa Penjy, ny 23 janoary 2025. Tontosa tamin’io fotoana io ny famindram-pahefana teo aminy sy Ben’ny tanàna mpisolo toerana ary ny fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy eo amin’ny toerany. Nametraka ny samboadiny ny Solombavamboakan’i Madagasikara, Rakotoarisoa Johnny. Kandida mahaleo tena i Randrianarisoa Penjy tamin’ny fifidianana natao ny 11 desambra 2024 ary izao mbola lany fanintelony hitantana ny vavahadin’i Madagasikara izao indray. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny fanombohana sy ny famaranana ny fampielzan-kevitra ihany izy no nanao propgandy satria “niasa ho an’ny vahoaka ka matoky fa ho lany”. Mbola hitohy hiasa ho an’ny vahoaka izy, araka ny fanambarany hatrany. “Vitaina faran’izay haingana ny fampanantenana ka asa maro no hotanterahana ho an’ny enim-bolana voalohany. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana”, hoy izy. Vonona hiara-hiasa amin’ireo tsara sitrapo ny Ben’ny tanànan’Ivato. Niteny mafy ireo “maloto fo” kosa izy mba “hiataka amin’ny sisiny”. Nanao antso avo tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo izy mba hanome tanana ny kaominina amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy nisalasala ny Solombavambahoaka Rakotoarisoa Jhonny namaly fa hitohy ny fiarahamiasa ka atomboka amin’ny herinandro ny asa.
Lynda A.