Archives mensuelles octobre 2020


FONDATION ORANGE : Nandrombaka ny « coup de cœur ô feminin 2019 » Rasoarimanga Vololona


Nofy tanteraka. Nahazo famatsiam-bola mitentina 7.900.000 Ariary Rasoarimanga Vololona hanatanterahana ny tetikasany. Nanatrika ny lanonana fanolorana izany, ny alarobia 28 oktobra 2020, ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, ny DGA sy ny Secrétaire Général Orange Madagascar Benja Arson, ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar Josie Randriambeloma ary ny filohan’ny Soroptimist International Club Mandrosoa Bodo Ramangason. Continuer la lecture


MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony


Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Continuer la lecture


FANOMEZAN-DRÀ ANTSITRAPO: Niditra tamin’ny andian’ny faharoa ny ekipan’i Haingo Paradis


Sady mamonjy aina no miteraka fahasalamana. Mpanome rà an-tsitrapo 50 ka hatramin’ny 60 no nandrasana teny amin’ny trano fitehirizan-drà eny amin’ny hopitaly HJRA Anosy  nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Groupe Masca Sabotsy Namehana sy ny kaominina Sabotsy Namehana niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny 23 oktobra 2020. Continuer la lecture


CHAINE HO AN’NY TANORA: Toonami, chaîne vaovao ao amin’ny Startimes Madagascar


Be mpijery indrindra. Tsy mitsahatra manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ny Startimes. « Nanatevin-daharana ireo chaîne ho an’ny tanora i Toonami. Sarobidy ho an’ny Startimes ny ankohonana ka manaporofo izany ny fiarahamiasa  vaovao amin’ny Warner Media”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes Madagasikara. Continuer la lecture