Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana. « Raha jerena aminy fomba tsotsotra dia fifanandrinana politika misy amina vondron’olona roa, ny mpitondra sy ireo mamaritra ny tenany ho mpanohitra no mahoraka », araka ny fanambaran’ny antoko UNDD (Union Nationale pour le Développement et la Démocratie), ny 12 martsa 2021 teny Ivandry. Continuer la lecture
Catégorie politique
ANTOKO MFM: Miantso ny Prezidà Rajoelina hanangana governemanta manana fahefana feno
Tsy fiaraha-mitantana. Taorian’ny filan-kevitry ny Foibe MFM dia namoaka fehin-kevitra momba ny raharaha anatin’ny antoko sy ny raharaham-pirenena ireo mpizaika avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara. Continuer la lecture
FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory
Nohamafisin’ny teo anivon’ny fitsarana tampony ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana . Tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandidà mpanolon-tsaina iray avy ao amin’ny fikambanana TAMI ( TAlasora MIray) sy ny kandidà ben’ny tanana laharana fahatelo ka nampiakatra teny amin’ny fitsarana tampony. Continuer la lecture
CNFM: “Hampiaro ny miralenta eo amin’ny fitantanana ny firenena”
Ho fampiharana ny miralenta. Mitondra tolo-kevitra mankany any amin’ireo fahefana mpanapa-kevitra ny CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar) mba hitsinjovana ny vehivavy indrindra aorian’izao krizy ara-pahasalamana izao. Continuer la lecture
CENI : Mandeha ny mandeha
Miroso mankany amin’ ny fifidianana loholona vaovao. Tsy misakana ny sarety tsy ho any Sabotsy ny horakoraka. Fifidianana ataon’ny olom-boafidy izy ity. Continuer la lecture
VOIN-KAVA MAHATRATRA: Manao antso avo Fetison Rakoto Andrianirina
Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana fa hanampy trotraka ny fahavoazana efa misy eto Madagasikara ny fisian’ity tsimokaretina Covid-19 ity. Continuer la lecture
VONDRONA PARLEMANTERA IRD SY GPR : « Efa miasa sy manan-kery ireo didy hitsivolana sivy… »
Miteraka fahasosorana eo amin’ny solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana ny tsy fandanian’ny antenimierandoholona ireo lalàna vitsivitsy nolaviny. Continuer la lecture
Kabarin-Ravalomanana Marc : FANAVAOZANA SY NY FANAMAFISAN’ ORINA NY ANTOKO TIM
Ianareo mpitarika ato anatin’ny antoko TIM
Ny voalohan-teniko dia ny fisaorana an’Andriamnitra lehibe nohon’ny nanomezany antsika tombon’andro indray ka ahafantsika mihaona eto amin’ity toerana ity. Hisaorana ihany koa izy nohon’ny fitsimbinany, indrindra ianareo avy lavitra ka tonga soamantsara eto Antananarivo. Hirariana lalndava ihany koa ny hiverenanareo soamantsara any antokan-tranonareo tsirairay avy rehefa vita ny dinika izay atao eto.
Zava-dehibe tokoa ity fotoana ity ho antsika ato amin’ny antoko, indrindra ho anareo tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ny olomboafidy rehetra. Araky ny efa fantatrareo dia natao ity fivoriana ity mba hanavaozana, sy hanamafisan’orina mba miroso amin’ny redynamisation izany. Izany redynamisation izany dia tsy vita indray andro akory satria misy ireo dingana tsy maintsy arahina. Tsy vitan’ny fanolona olona fotsiny izany fa tsy maintsy jerena daholo ireo tsy mety izay mila fanarenana ary mitaky ihany koa fiovana eo amin’ny fomba fanao na fomba fihetsikin’ny tsirairay na changement de comportement izany. Fanombohana ihany ny antsika androany. Fotoana izao, satria efa manana ivo-toerana fampiofanana isika ao amin’ ny Foibe Continuer la lecture
HVM: Natao inona ireo fitaovam-piadiana raha tsy lany Prezidà Rajoelina Andry?
Tsy fanonganam-panjakana fa aro fanina. Nandritra velan-kevitra momba “ny fanjakana tan-dalàna antoky ny fampandrosoana”, notontosaina ny 24 febroary 2020 teny Anosy, no niresahan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ireo fandikàn-dalàna nataon’ny fitondrana tarihiny ny Prezidà Rajoelina Andry tamin’ny taona 2019. Continuer la lecture
GOVERNEMANTA NTSAY CHRISTIAN 2.0
DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA ROAPOLO SY ROA ARIVO TSIPIKA FITOPOLO Anendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta
NY FILOHAN’NY REPOBLIKA, – Araka ny Lalam-panorenana; – Araka ny didim-panjakana laharana fahasivy ambin’ny folo sy roa arivo tsipika efatra ambin’ny folo aotra fito, tamin’ny sivy ambin’ny folo jolay, taona sivy ambin’ny folo sy roa arivo, anendrena ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta; – Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta,
Minisitry ny Fiarovam-pirenena : Général de Corps d’Armée RAKOTONIRINA Léon Jean Richard
Minisitry ny Raharaha-bahiny : Docteur TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Liva
Mpitahiry ny Kasem-panjakàna, Minisitry ny Fitsaràna : Andriamatoa ANDRIAMAHEFARIVO Johnny Richard
Minisitry ny Toe-karena sy ny Vola : Andriamatoa RANDRIAMANDRATO Richard
Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna : Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Tianarivelo
Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys
Minisitry ny Fanajariana ny Tany,sy ny Asa Vaventy : Andriamatoa ANDRIANAINARIVELO Hajo Herivelona
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy ara-kasa: Ramatoa ANDRIAMANANA JOSOA Iarintsambatra Rijasoa
Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka: Professeur AHMAD Ahmad
Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono : Andriamatoa RANARIVELO Fanomezantsoa Lucien
Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo : Andriamatoa RAMAROLAHY Christian
Minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana: Ramatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary
Minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika : Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo
Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahan-tany sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Andriamatoa RANDRIAMANDRANTO Joel
Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna : Ramatoa RAMAMPY Gisèle
Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa : Professeur ASSOUMACOU Elia Béatrice
Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana : Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa
Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra : Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala
Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra sy ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra : Andriamatoa RAMAHERIJAONA Andriamanohisoa
Minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy : Ramatoa NAHARIMAMY Lucien Irmah
Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena : Andriamatoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto Michael
Minisitry ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina : Ramatoa RAKOTONDRAZAFY- ANDRIATONGARIVO Lalatiana
Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Ministeran’ny FanajariananyTany, sy ny Asa Vaventy: Andriamatoa ZASY Michael Angel
Sekreteram-panjakàna eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, miadidy ny Zandarimariam-pirenana: Général de Corps d’Armée RAVALOMANANA Richard
Foana ary tsy manan-kery ireo andinindininy rehetra tany aloha mifanohitra amin’izay voalazan’ity didim-panjakana ity dia ireto manaraka ireto – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika folo sy efajato sy arivo natao ny fahaefatra ambiny roapolo jolay sivy ambinifolo sy roa arivo, – Laharana faha sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby dimapolo sy valonjato sy arivo natao ny faha roapolo septambra sivy ambinifolo sy roa arivo – Ary laharana faha°sivy ambinifolo sy roa arivo tsipika fito amby efapolo sy roa arivo natao ny fahatelopolo oktobra sivy ambinifolo sy roa arivo nanendrena ireo mpikambana ao amin’ny Governamanta.