Archives mensuelles juin 2017


Ho tambatambazana indray ve ny solombavambahoaka ?


Efa ho avy ny fifidianana ho filoham-pirenena. Misy amin’ireo mpanao politika mangataka ny hanovana io lalam-panorenana io alohan’izany. Ny fitondrana ankehitriny koa mety manana fanirina hanova na hikitika ny andininy maromaro amin’io lalam-panorenan’ny repoblika faha efatra lany tamin’ny tetezamita notarihan’i filoha Andry RAJOELINA. Azony atao tsara izany amin’ny fampiasana ireo olom-boafidy. Ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana 4X4 izay efa nodradradrain’izy ireo ny tokony hanomezan’ny fanjakana izany. Ny sasany amin’ireo solombavambahoaka ireo dia sahy milaza mihitsy fa zon’izany. Efa fitaona ihany koa izao hanaovan’ny fanjakana io pimaso io alohan’ny hiafaran’ny fotoam-pivorian’izy ireo raha manam-paniriana izany fanovana lalam-panorenana izany ny mpitondra ankehitriny izay tarihin’ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Raha tian’io fitondrana io ny hanamafy ny fitondrany, ny fanovana lalam-panorenana ihany no vahaolana voalohany satria sahirana tanteraka teo amin’ny fanendrena ny praiminisitra ohatra.

Ity ny andininy afahan’ny filohan’ny repoblika manao izany fanitsiana izany :

Article 161. – Aucune révision de la Constitution ne peut être initiée, sauf en cas de nécessité jugée impérieuse.

Article 162. – L’initiative de la révision, en cas de nécessité jugée impérieuse, appartient soit au Président de laRépublique qui statue en Conseil des Ministres, soit aux Assemblées parlementaires statuant par un vote séparé à la majorité des deux tiers des membres.

Le projet ou proposition de révision doit être approuvé(e) par les trois quarts des membres de l’Assemblée Nationale et du Sénat.

Le projet ou la proposition de révision ainsi approuvé(e) est soumis à référendum.

Ireto  ny andiny mety ho kitihiny sy hovainy :

Voalohany amin’izany,

 Article 54.- Le Président de la République nomme le Premier ministre, présenté par le parti ou le groupe de partis majoritaire à l’Assemblée Nationale. Il met fin aux fonctions du Premier Ministre, soit sur la présentation par celui-ci de la démission du Gouvernement, soit en cas de faute grave ou de défaillance manifeste. Sur proposition du Premier ministre, il nomme les membres du Gouvernement et met fin à leurs fonctions.

Io andiny io anisany nanahirana ny fitonadran’ny filoha mihitsy ka azo antoka fa tsy maintsy hovany.

Ity andiny ity koa mety ho asian’ny fanitsina, roa no mety antony hanovany izany. Voalohany, mety manelingelina azy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry RAJOELINA . Faharoa, ny fialana enim-bolana mialoha ka hanome ny fahefana ny filohan’ny Antenimerandoholona Honoré RAKOTOMANANA.

 

Article 46.- Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy, jouir de ses droits civils et politiques, avoir au moins trente cinq ans à la date de clôture du dépôt des candidatures, résider sur le territoire de la République de Madagascar depuis au moins six mois avant le jour de la date limite fixée pour le dépôt des candidatures.

Le Président de la République en exercice qui se porte candidat aux élections Présidentielles démissionne de son poste soixante jours avant la date du scrutin Présidentiel. Dans ce cas, le Président du Sénat exerce les attributions Présidentielles courantes jusqu’à l’investiture du nouveau Président. Dans le cas où le Président du Sénat lui-même se porte candidat, les fonctions de Chef de l’Etat sont exercées par le Gouvernement, collégialement.

Il est interdit à toute personnalité exerçant un mandat public ou accomplissant des fonctions au sein des Institutions et candidat à l’élection présidentielle, d’user à des fins de propagande électorale, de moyens ou de prérogatives dont elle dispose du fait de ses fonctions. La violation qui en serait constatée par la Haute Cour constitutionnelle constitue une cause d’invalidation de la candidature.

Ny dikan’izay rehetra izay raha tanteraka, tsy hisy ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2018 fa ny fitsampan-kevim-bahoka no atao. Noho izany, hisy karazana tetezamita indray hitaran’ny fitondrana ankehitriny ka mety amin’ny taona 2020 vao ho tanteraka ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Hiaona any amin’ny filoha Macron any Frantsa anio ny filoha Malagasy.

Hihaona amin’ny filoha Frantsay any Parisy anio tolakandro ny filoha Malagasy. Nilaza izy fa ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny anton’ny fihaonana. Nahoana no tsy nasaina ho tonga teto tamin’ny fetin’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara izy e ? sa tsy maintsy mandeha any hangataka ? raha fangatahana hiverenan’ireo nosy kely « iles éparses » moa ka aninona fa sao indray hisolelaka hitrosa sy hangataka vola any indray. Efa nilaza ny filoha Malagasy fa mahantra ka tokony ho taperina . Enga anie ny resaka hifanaovan’ izy ireo mba ho tombotson’ny vahoaka Malagasy. Andrasana ny vakatry izany fihaonana izany anio.

Nirina R.


VISION MADAGASCAR: Mampandroso ny firenena Malagasy ny fisokafana amin’izao tontolo izao.


Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Malagasy, misokatra amin’ny firenena manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara. Tanjona amin’izany ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Mbola nohamafisiny ny Filoha,  Hery RAJAONARIMAMPIANINA ihany izany nandritra ny lanonana fankalazana ny faha-57 ny fahaleovantena Malagasy,  natao teny Iavoloha. Continuer la lecture


ISPM: Fandrafetana sahady ny ho avin’ny mpianatra ny fikarohana.


Fomba fanao isan-taona ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo voka-pikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny ivom-pampianarana ambony ISPM. Tamin’ity andiany faha-24 ity, 400 mahery ny isan’ireo fikarohana. “Hetsika iray ahafahana mampivelatra ny sain’ny mpianatra sy ny fampiharana ny fahalalana sy fahaizana azon’ireo fa indrindra hitarihana azy ireo sahady any amin’ny tontolon’ny asa ny hetsika tahaka itony”, hoy ny Talen’ny fitantanana sy ny vola, Aimée RAZAFINDRAHETY. Continuer la lecture


ISPM: Efa miasa avokoa ireo mpianatra nahazo ny Master, andiany kanto.


Efa samy misahana andraikitra amin’ny orinasa samihafa ny ankamaroan’ireo mpianatry ny ISPM, roan-jato isa nahazo ny diplaoma Master. Nisandrahaka tamin’ny lalam-piofanana dimy ambin’ny folo no « informatique et télécommunication, tourisme, agriculture et élevage droit, biothèque… » ity andiany Kanto ity. Nambaran’i Aimée RAZAFINDRAHETY, talen’ny fitantanana ny “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ISPM Continuer la lecture