Catégorie Actus



HETSIKY NY MAPAR SY TIM: Manetry ny fahefan’ny prefet


Na dia mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra aza ny hetsika ataon’ireo solombavambahoaka MAPAR sy TIM, ny prefektioran’ny polisy no tompon-teny farany. Manam-pikasana hamory vahoaka eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireto solombavambahoaka tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ireto, amin’ny sabotsy 21 aprily 2018 ho avy izao. Hanao tatitra momba ny fandaniana io lalàna io no anton’ny hetsika. Tsy mbola nampahafantarina momba ny hetsika sy naharay taratasy fangatahana hanao izany ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy hatramin’ny omaly 17 aprily 2018, nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety.
Mihevitra ireo solombavambahoaka fa voalazan’ny lalam-panorenana ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Noho izany, tsy ilaina akory ny fangatahana fahazoan-dalana. Nilaza kosa anefa ny prefet, Angelo Christian Ravelonarivo fa manao tsinontsinona ny fahefany sy ny maha izy izany. Noho izany, tsy manaiky ny famoriam-bahoaka ataon’ireo solombavambahoaka ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy. Nanapa-kevitra ihany ireo solombavambahoaka taorian’ny valan-dresaka naaon’ny prefet ka nanatitra taratasy fampahafantarana ny hetsika.

Lynda A.


Dr Quanbeck mianakavy : « Miverina amin’ny taniny ny Jiosy »


Tsy Jiosy tsy akory Dokotera Stanley Dwight Quanbeck fa Amerikana fotsy fiodirana. Olo-be, raiamandreny, sady olo-malaza teo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy Dr Quanbeck. Izy no angady nananana sy vy nahitana (Pionnier) ny Sampan’Asa Loterana momba ny Fahasalamana (SALFA).

Anterivava : Dr Quanbeck

Olon-dehibe tsotra, manetritena. Tsy nofihininy ho azy samy irery ny fisalorana izany fiantsoana hoe “Pionnier” izany, fa mbola notsiahiviny ny tanan-kavanany niombon’antoka taminy tamy fanorenana sy fiterahana ny SALFA avy any an-karangana, dia Chef Andréas Richard. Hoy mantsy izy raha nandray fitenenana: “Hoatran’ny tao amin’ny Testamenta Taloha izahay sy Andréas ka izaho Mosesy, izy Arona”.

40 taona.

Hankalaza tsy ho ela ny faha-40 taona nijoroana ny SALFA. Ho fanatanterahana ny hevitry ny Komity Maharitry ny Synoda Lehibe (KMSL) tamin’ny 1979 no nanendren’ny FLM an’i Dr Quanbeck hanangana ny SALFA. Niainga tamina toerana fizaham-pahasalamana tanaty efitra roa tao amin’ny FLM 67ha ny SALFA ka ankehitriny dia nahavita an’io trano tsara bika eo Andohalo io. Manana toeram-pitsaboana sy hopitaly maro manerana ny Nosy koa ny SALFA, ary anisan’ireny ny any amy faritra Atsimo manontolo. Tsy hadinoin’i Dokotera mianakavy ny hitsidika an’i Ejeda sy Bezaha, izay nandaniany ny fahatanorany.

Fandraisana mendrika.

Lanonana ara-panahy tsotsotra sy mendrika no nandraisan’ny mpiara-miasa rehetra SALFA an’i Dr Quanbeck sy ny zanaka aman-jafiny ny zoma 6 aprily 2018. Taranaka fahatelo misionera niasa teto Madagasikara izy, ary ny raibeny avy amin’ny reniny dia Pastora milevina any Manasoa-Fanjahira Bezaha (Toliara). Tsy nahatana ranomaso ny lehilahy raha nampahatsiahy izany, ary tsaroany ireo anaram-bosotra niantsoana azy hoe Dokotera Marivoranomaso, sy ny hoe Dokotera Lesola. Nahatsikaiky ny filazany fa tsy mitsahatra mitombo ny fahasolany izy misotroronono sy mihoatra ny 80 taona izao.

Tsisy tsy nahalala an’i Dr Quanbeck izay nisera teo anivon’ny FLM. Mahafehy hatrany ny teny malagasy izy na dia 40 taona aty aoriana aza.

Anterivava : Chef Andréas Richard

Razaka Oliva