Socio-eco

Fikambanana Capricornus : Nanolo-tanana ireo voaaro tamin’ny fanolanana


Sambany ny sampandraharaha Vonjy, mandray an-tanana ireo ankizy sy tanora niharan’ny herisetra ara-nofo no nahazo fanampiana avy any amin’ny fikambanana mpanao asa sosialy. Tonga nanatitra lamba firakotra, vatomamy, « couche culotte », « serviette hygiénique » tao amin’ny centre Vonjy, ao amin’ny hopitaly Befelatanana ny fikambanana Capricornus ny zoma 27 aprily 2018, lasa teo. « Nanomboka ny taona 2011, ny fiahiana ara-tsosialy, ny zon’olombelona no tena imasoan’ny fikambanana. Ho fanampiana ireo ankizy sy voaaro tamin’ny fanolanana, nitondra izay voatsirambin’ny tananay izahay », hoy ny filohan’ny fikambanana, Herisolo Rasoazanamaka.
Efa-polo ireo nahazo tombontsoa tamin’ity fanampiana ity. Herim-pon’ny mpikambana madiodio no nahafahana nanampy azy ireo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana hatrany, efa mananika ny 50 ny mpikambana ao amin’ny Capricornus.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *