Tompondakan’i Afrika Austral ny ekipa Malagasy vehivavy latsaky ny 12 taona ( U12 ) eo amin’ny taranja tennis. Natao tany Bulawayo , Zimbabwe ity fifaninana ity ny volana Martsa lasa teo. Nahitana an’i Miotisoa Rasendra, Fikasana Rakotomalala, Miarana Robinson Andrianafetra ary Harivony Andrianafetra kapiteny no nandrafitra ny ekipa Malagasy. “Tsara kalitao indrindra ny mpilalao Malagasy aty Afrika latsaky ny 14 taona. Porofon’izany, misy Malagasy tafiditra folo voalohany amin’ny latsaky ny 14 taona (U14) aty Afrika ary voalohany isika amin’ny U12. Hisaorana ny Orange Madagascar manohana ny FMT”, hoy ny filohan’ny federasiona Malagasy ny Tennis ( FMT )Stéphane RAKOTONDRAINIBE. Eo amin’ny fifaninana eto an-toerana kosa, ny 25 Jona 2018 ka hatramin’ny 28 Jona 2018 no atao ny fihodinana voalohan’ny ITF Madagascar Open Junior Grade 5 eny courts COT, Ilafy. Tanjona ny ahazoana isa amin’ny ITF junior ho an’ny mpilalao Malagasy.
Nirina R.