Socio-eco

Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety: Mampita ny hafatry ny rainy i Francine Ranaivo


Fankalazana ny andro manerantany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety  ny 03 may. Amin’ity androany ity, miarahaba ny mpanao gazety Malagasy rehetra ny fikambanana AIFM (Alliance Internationale des Femmes de France et Madagascar). Nambaran’i Francine Ranaivo, filohan’ny AIFM ny hafatra nosoratan’ny rainy tao anatin’ny diariny.  Mpanao gazety fahiny, i Xavier Ranaivo. Tomponandraikitra voalohany ny gazety mahenika an’i Madagasikara manontolo izy tamin’ny taona 60. Tahaka izao ny ampahan’ny hafatra nosoratany izay nampitain’ny zanany:  “Sahia manoratra, mandefa, maka sary ny vaovao rehetra na ny zava-mitranga rehetra na inona na inona karazany, sokajiny. Fadio ny manampy ny hevitry ny tena manokana . Fadio famingavingana, ny tsy fahalalam-pomba amin’ny fomba fiasa amin’ny haino aman-jery . Tatero ny zava-mitranga, ny teny voaporofo sy niainana fa indrindra ny marina. Aza ny zava-mitranga anio mba ho tantara mipetraka tsy manam-paharoa. Alaivo sary ny anio mba hipetraka ho tantara tsy manam-paharoa.  Aza miandany amin’ny tatitra ataonareo, ny asa soratrareo na  fifampiresahanareo. Alaivo sary ny anio mba hipetraka ho tantara tsy manam-paharoa.  Ampahafantaro foana ny loharano nahitana ny vaovao, ny fehezanteny na teny, ny sary”.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *