Nianiana tamin’ny baiboly ny administrateur civil Paolo Raholonarivo sy ny filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa (RNDC), Lita Rabetsara fa tsy nahazo vola be tany amin’ny mpanolontsaina manokana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, Mbola Rajaonah izany. Nilaza ny mpitarika ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 may fa nomena volabe an’i Paolo io mpanolotsaina ny filoha io entina hankaramà na « gros bras » hanakorontana ny hetsika ho an’ny fanovà na. Nanamafy izy ireo nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo androany 30 aprily 2018 fa tsy nadray izany vola izany ary tsy manana eritreritra ny hitondra fanakorontanana. « Niaro mpiray tanindrazana amiko aza no nataoko manoloana ireo mpangalatra tany. Noho izany, tsy mbola nanao ratsy tamin’ny fireneko aho ».
Manao antso avo ny fitondram-panjakana i Paolo Raholinarivo, Lita Rabetsara Lita, Tahiana Ranaivoharison ny hanovà na ny lalà m-pifidianana. « Io lalà na io no fototry ny korontana eto firenena ka ovao. Avelao hilatsaka ho fidiana avokoa izay te hilatsaka », hoy i Paolo Raholonarivo.
Nirina R.