Socio-eco

VONDRONA EROPEANINA : Namokatra ny fiarahamiasa tamin’i Madagasikara


Hetsika maro no hanamarihana ny faha- 60 taonan’ny fiarahamiasan’ny vondrona eropeanina amin’ny firenena Malagasy. Fandefasana sarimihetsika Benja Kely 2 eny amin’ny Ciné Plaza Ampefiloha sy famelabelaran-kevitra momba ny faha-60 taonan’ny fiarahamiasan’ny roa tonta eny amin’ny Institut d’Etudes Politique (IEP) Ampandrana no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny vondrona eropeanina. Rahampitso 04 mey 2018 no hanombohana izany ka amin’ny 9 ora maraina ny famelabelaran-kevitra ary amin’ny 7 ora hariva kosa ny sarimihetsika. Ny sabotsy 12 mey 2018 vao hifarana ny herinandron’ny vondrona eropeanina. Ankoatra fandefasana sarimihetsika sy famelabelaran-kevitra, hisy ihany koa dinika an-databatra boribory momba ny toekarena, ny hetsika ara-koltoraly, ny fizarana ny loka ho an’ireo mpanao gazety nanao fifaninana momba faha-60 taonan’ny fiarahamiasan’ny vondrona amin’ny firenena Malagasy.

Nahita vokatra

Nambaran’ny Ambasadaorin’ny vondrona eropeanina, Antonio Sánchez-Benedito tamin’ny valan-dresaka niaraha tamin’ny mpanao gazety ny 02 mey 2018 fa nisy ny vokatra azo tsapian-tanana nandritra izay 60 taona niarahan’ny vondrona eropeanina tamin’i Madagasikara izay. Nohamafisin’i Antonio Sánchez-Benedito fa tsy misakana ny famatsiam-bola ny savorovoro politika misy eto Antananarivo. Voalaza ao anatin’ny “accord de cotonou” mifehy ny fiarahamiasa eo amin’ny vondrona eropeanina sy ny “Afrique Caraibe Pacifique” (ACP) anefa fa miantoka ny famatsiam-bola ny fisian’ny fitoniana amin’ny firenena iray.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *