Socio-eco

ROBOTEX 2026 – KOREA ATSIMO: Ao anatin’ireo ekipa hisolo tena an’i Madagasikara ny CERISE


Niainga ny alin’ny 23 novambra 2026 i Ratefison Yakin, Fandresena Michaël, Rajaonarison Mathieu ary Heriniaiko Roméo Solofo. Hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena Robotex 2026, hatao ny 28 sy 29 novambra any Incheon, Korea Atsimo izy efatra mirahalahy izay  mandrafitra  ny ekipa CERISE (Club de l’électro-robotique et des systèmes embarqués). Mpianatra avy amin’ny sekoly ambony momba ny informatika (ENI) ao Fianarantsoa  izy ireo.

Robot iray noforonin’izy ireo tao Fianarantsoa no entiny hiatrika ity fifaninanana momba ny robotika mandeha ho azy ity. “Ny sokajy Mini Sumo 500 g no handrasanay anjara. Lalao ifanandrinan’ny robot roa mandeha ho azy eo ambony sehatra boribory izy io. Ny tanjona dia ny hamantatra ny toerana misy ny robot mpifanandrina aminy sy hanosika azy hivoaka ny sehatra », hoy i Heriniaiko Roméo Solofo, programmeur, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao ny alatsinainy 23 novambra 2026, tao Ankorondrano.

Mitaky fahaiza-manao amin’ny sehatra maro ny famolavolana robot, indrindra eo amin’ny mekanika, ny elektronika ary ny fandaharana informatika. Nozarain’ireo mpianatra araka izany ny andraikitra teo amin’ny famolavolana ny rafitra mekanika, ny fikirakirana ny fitaovana elektronika ary ny famolavolana ny programa ahafahan’ilay robot miasa tsy mila baiko mivantana.

Nahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny MVola ireo mpianatra efatra, izay miantoka ny saran-dalana handehanan’izy ireo any Korea Atsimo.

« Robot iray noforonin’ireo tanora tao Fianarantsoa no hitondra ny anaran’i Madagasikara any Korea Atsimo. Manome azy ireo fahafahana hitsapa ny fahaizan’ilay robot sy hifanakalo traikefa amin’ireo mpankafy ny robotika hafa ny Robotex. Manantena aho fa rehefa tafaverina izy ireo, dia hamporisika tanora hafa hanandrana hiditra amin’ity sehatra ity ihany koa ny traikefa hozarainy », hoy i Alexandre Castel, tale jeneralin’ny MVola.

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny teny filamatry ny orinasa hoe “miaraka mandroso” ity fanohanana ny tanora mandray anjara amin’ny Robotex 2026 ity, araka ny fanazavan’i Rajaonarivony Dominique, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny MVola.

Niorina tamin’ny taona 2001 tao Tallinn, renivohitr’i Estonie, tao amin’ny Oniversiten’ny teknolojia ao Tallinn (TalTech) ny Robotex. Fifaninanana momba ny robotika mandeha ho azy sy hetsika mifandraika amin’ny teknolojia no fototry ny hetsika. Anisan’ny tanjony ny hamporisika ny tanora ho liana amin’ny siansa sy ny injeniera, amin’ny alalan’ny fanamby sy fampiharana ara-teknika.

Tsy ny ekipan’ny École nationale d’informatique (ENI) ihany anefa no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny andiany 2026. Ekipa telo avy eto Madagasikara no handray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *