Socio-eco

« CLUB EXPORT REUNION » : Andray anjara ny GEM


Ho tanterahana any amin’ny nosy “La Reunion” ny fihaonana iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra ( Rencontres internationals du développement durable-inscrire nos îles dans un futur désirable) ny 21 Novambra 2018 ka hatramin’ny 23 novambra 2018. Ao anatin’ny firenena folo handray anjara i Madagasikara amin’ny alalan’ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara na ny GEM. Andiany faha-6 ity karakarain’ny « Club Export Réunion » ity. Ho resahana mandritra izany ny vokatra fanodina atao sakafo sy ny ho famatsiana ara-bola ireo tetikasa ho an’ny Afrika. Ho antsika eto Madagasikara, nolazaina fa sompitra ara-tsakafo aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indiana isika ary nanamafy izany ny tomponadraikitry ny hetsika, MANDROUX François. Miavaka ny amin’ity taona 2018 ity satria ankalaza ny faha 20 taonany ny « Club Export Réunion ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *