Socio-eco

OMS: Ho fantatra amin’ny jona 2018 fa fongotra ny lefakozatra


Nanamarina ireo antontan-taratasy iatrehana ny fanadinana ahazoan’i Madagasikara ny fanamarinana fahafongoran’ny aretina lefakozatra ny delegasiona avy amin’ny vaomiera misahana ny fanomezana izany ho an’ny faritra Afrika (CRCA). Nanomboka ny 02 mey ka hatramin’ny 11 mey 2018 ireo manam-pahaizana manokana momba ny famongorana ny aretina lefakozatra no handinika ny antontan-taratasy rehetra raha toa ka manaraka ny fenitra takian’ny CRCA. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) no nanampy ny komity nasionaly momba ny fanamarinana ny fahafongoran’ny lefakozatra tamin’ny fanangonana ny antontan-taratasy rehetra. Amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny zava-misy arahina adihevitra, asam-bondrona, fidinana ifotony no hanamarinan’ireo manam-pahaizana ny antotan-taratasy rehetra. Aorian’izany, hiroso amin’ny fanadinana i Madagasikara. Mandritra ny fivorian’ny CRCA any Abuja, Nigeria amin’ny 18 ka hatramin’ny 22 jona 2018 no hanatanterahina izany.
Tara
Ny fahataran’ny diky atao fitiliana eny amin’ny Institut Pasteur no olana sedrain’ny komity momba fanamarinana ny fahafongoran’ny lefakozatra. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny komity, profesora Noeline Ravelomanana fa tokony ho tonga eny amin’ny « Institut Pasteur » 72 ora aorian’ny fangalana azy ny diky hanaovana fitiliana momba ny lefakozatra. Fepetra napetraky ny CRCA io mba hanaporofoana ny fisian’ny lefakozatra. Mba hanafainganana ny fitondrana ireo diky, nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny fitaterana. Ho taterina amin’ny fiaramanidina an’ny kompaniam-pitaterana Air Madagascar ireo diky.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *