Socio-eco

Famatsiam-bola avy amin’ny AFD: Tetikasa roa indray nosoniavina


Ho fitohizan’ny fiarahamiasan’ny fanjakana Malagasy sy ny Agence Française de Développement (AFD), tetikasa roa no natao sonia ny 02 mey 2018. Tetikasa lalan-kely andiany faha-telo ny tetikasa voalohany. Momba ny fampiofanana arak’asa  kosa ny faharoa. Vola mitentina  102 miliara Ariary ny no ampiasaina amin’ny tetikasa lalan-kely faha-telo. Ny 75 miliara Ariary amin’io vola io no nomen’ny AFD. Nanolotra 11 miliara Ariary kosa ny Vondrona Eropeanina. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ihany koa ny fanjakana Malagasy ka 17 miliara no entiny amin’izany.

Niara-nanao sonia niaraka tamin’ny Ministry ny vola sy ny teti-bola , Vonintsalama Sehenosoa Andriambololona, ny Ministry  eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana  ny tetikasan’ny filoham-pirenena, fanajariana ny tany ary ny fampitaovana (M2PATE), Benjamina Ramanantsoa. Amin’ny maha fanajariana ny tany sy hanatsarana ny endriky ny Tanana, ny M2PATE no mitantana ny tetikasa. Hisitraka ny tetikasa kosa ny  kaominina an’Antananarivo renivohitra sy  ireo  kaominina 27 manodidina. “Hanatsarana ny firindran’ny tanana sy ny fiainan’ny mponina ity tetikasa  ity. Ankoatra ny fanamboarana lalan-kely, hisy ihany koa ny fanamboarana foto-drafitr’asa  momba ny  fahadiovana sy fidiovana toy ny paompin-drano, toeram-panasana lamba, toeram-pivoahana.

Fahaiza-manao

Tetikasa faharoa nanaovana sonia niarahan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny AFD ny tetikasa fampiofanana arak’asa. 24 miliara Ariary ny famatsiam-bola azo tamin’izany ary tsy averina. Tahirim-bola entina iaingana ho fanamafisana fahaiza-manaon’ny mpiasa sy ny tanora Malagasy ity tetikasa ity. Taorian’ny fikaonan-doha niarahan’ny vondron’ny mpandraharaha GEM, FIVMPAMA, CTM tamin’ny Ministeran’ny asa, ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa,  ny ministeran’ny  vola sy ny teti-bola, tapaka fa hanangana tarihim-bola ho fanamafisana ny fahaizan’ny mpiasa sy ny tanora. Mba hanatevenana ny famatsiam-bola avy any amin’ny AFD, handoa latsak’emboka ireo tompona orinasa. Iray isan-jato amin’ny karama aloan’izy ireo amin’ny mpiasa no alefa amin’ny tahirim-bola. Hamatsiana ireo tetikasa mampiofana arak’asa ny tanora na vondrona marefo toy ny tsy an’asa na an-dalam-pitadiavana asa, mpandraharaha madinika tsy ara-dalana… ny tahirim-bola.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *