Dans les meilleurs délais. Une séance de sensibilisation et d’information a été organisée le jeudi 21 janvier 2021 au Workshop Idea Center Ankorondrano, en collaboration avec l’Agence Routière, l’AGETIPA et le Service de l’Expropriation. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
SALON DE L’ETUDIANT-SPECIAL RENTREE 2021: Mbola tsy tara ireo mpianatra te hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony
Misy ny fidirana faharoa ho an’ny taom-pianarana 2021. Maro amin’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea no misafidy ny hanomboka ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ny volana febroary na martsa. Natao hanampiana azy ireo indrindra ny Salon de l’étudiant –Spécial Rentrée 2021. Continuer la lecture
VEHIVAVY MPANDRAHARAHA : Manampy azy ireo ahita lalam-bola ny « plateforme 50 millions des femmes africaines ont la parole »
« Tsy mandoa hetra ». Nanatrika ny fivoriana momba ny fizarana ny tetikasa « 50 millions des femmes africaines ont la parole » na 50MFAP niaraka tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny ministeran’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy ny solentanan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Ranomasimbe Indiana (EFOI) ny 27 janoary 2021 teny Ambohijatovo. Continuer la lecture
LES ANCIENS DE LA MARINE NATIONALE MALAGASY : Le nouveau Président de la FLM ancien mataf
Samedi 23 Janvier 2021, à partir de 9 heures, des visites et des venues inhabituelles, des personnes portant des paniers comme si elles allaient en pique nique, d’autres encore alourdies par des éléments de sono. Continuer la lecture
CGARD : Manampy amin’ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny sehatry ny fambolena
Mampiasa teknolojia avo lenta. Nitsidika ny ivon-toeran-tsarintany azo avy amin’ny zanabolana ampiharina indrindra ny tontolo ambanivohitra na « Center on Geoinformatics Applications in rural Development » (CGARD) eny Nanisana ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO , ny 22 Janoary 2021. Continuer la lecture
JIRAMA : 80 % ny mpanjifa nahita fa nihena ny vidin-jirony vokatry ny tetikasa Optima
Raha mitovy ny fandaniana. Nitondra fanazavana momba tetikasa Optima izay ahitana ireo « tarif » efatra : ny tarif social, tarif économique, tarif confort ary ny tarif superconfort ny teo anivon’ny orinasa Jirama ny 20 janoary 2021. Continuer la lecture
FEUX DE BROUSSE : Alerte ! Les futures générations sont menacées
Désertification du sol, tarissement d’eau, manque de pluie… Ces impacts du changement climatique se manifestent à Madagascar depuis des années. Continuer la lecture
ORANGE DIGITAL CENTER : Hahazo tombony ireo tsy an’asa sy tsy manana diplaoma
Ho fampananan’asa ny tanora sy fampiroboroboana ny nomerika. Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara ny Orange Digital Center (ODC). Continuer la lecture
ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANINA (AFK): Hanangana andry fototra sivy ho fampandrosoana an’i Madagasikara
Ho fiarahamonina tsy mifanambany, tsy mifanapepo fa mifanohana sy mifampivelatra. “Manana fikasana miezinezina ho an’ny firenentsika Andriamanitra […] Continuer la lecture
VOLAMENA 73,5 KG: Tsy nahazo fampandrenesana ny fadintseranana talohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina teny Ivato
Raha tokony tamin’ny 12 janoary 2021 tao Afrika Atsimo ny fitsarana ny “demande de liberté sous caution” ireo olona telo tratra nitondra ilay volamena 73,5 kilao dia nihemotra amin’ny 01 febroary 2021 indray izany raha ny vaovao farany voarain’ny teo anivon’ny fadintseranana malagasy nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 12 Janoary 2021 teny Antaninarenina. Naninona no tsy nohenoina teny amin’ny PAC (Pôle anti-corruption) ny teo anivon’ny fandin-tseranana? Araka ny fanazavan’ny ny Directeur des Services Extérieurs RANDRIAMANANTENA Soja fa tsy maintsy ampandrenesina mialoha, 24 ora farafahantarany ny fadintseranana, alohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina na sambo eto Madagasikara ary misy tomponadraikitra misahana izany. Nambarany anefa fa tsy nisy izay fampandrenesana izay. “Zavatra nomanina matoa tsy nampandrenesina ny fadintseranana”, hoy izy. Nilaza ihany koa izy fa nisy fahatapahana ny caméra nandritra ny fivezivezena nanaovana ny dingana tokony atao ary “efa napetraka mialoha tao anaty fiaramanidina ilay volamena”.
Ankoatra izany dia nanazava ihany koa i Volasoa RAZAFITRIMO, Directeur des Affraires juridiques et de la Lutte contre la Fraude fa rehefa nanao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny fandintserana malagasy dia betsaka ny fandikàn-dalàna hita. “ Rehefa natao ny fihainoana dia hita fa misy ny fanondranana antsokosoko entana voarara ary fandikan-dalàna faratampony izany raha amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fadintseranana. Eo ihany koa ny fandikan-dalàna fifanakalozana”, hoy izy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Ernest Zafivanona LAINKANA fa tsy marina ny fanambarana nataon’ny tompon’entana, Sky Gold Mali fa nanao fanambarana tao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranampiaramanidina Bamako Senou ao Mali izy. “ Ny declaration an’ny douane dia universel ka tsy mila atao traduction”. Hosoka noho izany ilay taratasy nampiasain’ireto mpanao trafika ary tsy volamena avy any Mali izy io.
Nirina R.





















