Socio-eco

FONDATION BOA : Sady mihinana kaly tsinjo no mivimbina vatsy ho entina mody ireo zokiolona


Manamafy ny fiarahamiasany amin’ny ministeran’ny mponina, sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy  ny Fondation BOA (Bank Of Africa). Nanome Paty (nouilles) 12.000 isa sy sardines 5.000  hozaraina ho an’ireo beantitra misakafo amin’ireo toerana 30 fizarana kaly tsinjo  manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny Fondation BOA. Natomboka teny amin’ny site Ambohitrakely ny fizarana izany ny 5 martsa 2021. Ankoatra ny sakafo hohanina eny an-toerana izany dia mivimbina vatsy ho enti-mody ihany koa ireo zokiolona.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fondation BOA, Sidika Akbaraly fa fanombohan’ny asa amin’ny fanampiana ara-tsakafo ataon’ny Fondation, amin’ity taona ity, miaraka amin’ireo mpisehatra marobe mba iadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo ity hetsika ity. Nohamafisiny fa laharam-pamehana ho an’ny fikambanana ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana izay anisany fototry ny fampandrosoana. Nambaran’ny ministry ny mponina, Michelle Bavy Angelica fa fanamafisana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny fizarana kaly tsinjo ho fitsinjovana ny mponina. “Isaorana ny Fondation BOA mifanampy amin’ny ministera. Efa nanome fanampiana ho an’ny  mponina tany Atsimo ihany koa ny Fondation”, hoy Ramatoa ministra.

Nirina R.